Nanamarika ny hetsika tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 18 mey teo ny fandraisana ny CST Rasamimaka Mahefalahy avy any Toamasina.
Nambarany fa ny Frantsay hatrany no ambadiky ny fanambaran’ny Vondrona Eoropeanina noho ny fahatsapan’ny Frantsay fa hiteraka olana goavana ho azy ireo raha toa ka tsy olony no voafidy ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Ny Frantsay, hoy izy no mangataka ny fialan’ireo olona telo ho kandidà ary mihetsika mafy amin’izany izy ireo ka ny tanjony dia ny tsy haha kandidà an’i Lalao Ravalomanana. Efa voalazan’ny tondrozotra, hoy ny CST Rasamimaka Mahefalahy fa fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra no hatao eto Madagasikara, ary efa navela nalalaka nanao ny asany ny CES, izay nankato ny maha kandidà an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Raha ny filazana fa tsy feno enim-bolana ny tsy nipetrahany teto dia efa naverimberina foana fa efa teto ara-dalàna izy saingy ny FAT no nandroaka azy nankany Bankok fa tsy nahim-pon-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Efa iaraha-mahalala, hoy izy fa tsy mankasitraka ny filatsahan’i Neny ny Frantsay satria tsy olony io ary hiteraka olana ara-toekarena ho azy ireo izany raha voafidy eo ny kandidàntsika.
Tadidio fa ny Frantsay dia tsy manana akora fototra fanodina any aminy fa ireo tany nozanahany no mpamatsy izany hatramin’izay, anisan’izany i Madagasikara. Tsaroantsika tsara fa tapitra tamin’ny taona 2009 fifanarahana io ary tiany ho tohizana indray izany. Tsara ny mahafantatra fa tamin’io “Accord de Coopéeration” io dia ny Frantsay no misolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra maro na ny resaka tamin’ny mpamatsy vola aza hatramin’izay, kanefa ny filoha Marc Ravalomanana dia nahavita nifampiresaka sy nandresy lahatra ny mpamatsy vola tsy nila ny fanelanelanan’ny Frantsay ka dia tezitra tamin’izy ireo satria ho tapaka tanteraka ny fihinanany eto Madagasikara.
Ny fampandaniana an’i Neny dia efa mandeha satria hatramin’ny taona 2009 no nitolomana sy nanaovana hetsika ka efa vonona tanteraka izahay. Tsara ho fantatra, hoy ny CST Rasamimaka Mahefalahy fa ny filoha Ravalomanana no lehiben’ny fampielezan-kevitra ho an’ny ankolafy Ravalomanana ka ny toromarika rehetra dia avy any aminy avokoa. Ny fahitan’ny olona dia mbola mangina izahay satria olana ho anay angamba ny tsy fahitan’ny olona anay amin’ny haino aman-jerim-panjakana, kanefa tadidio fa izay ankolafy Ravalomanana dia tsy mahazo sehatra amin’ny an’ny fanjakana ary ny akamaroan’ny haino aman-jery ao an-drenivohitra dia efa nofaritan’ireo kandidà mpomba ny fanjakana ambongadiny. Ny hetsika hataonay amin’izao fotoana dia ny fitakiana ny fampiharana ny tondrozotra dia ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona rehetra toy ny MBS, Radio Mada, Radio Fahazavana sy ireo hafa mba ahafahan’ny hafa maneho hevitra ankalalahana fa tsy ny kandidàm-panjakana ihany no mahazo sehatra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.