Anisan’ny voalaza ao amin’ny lalàmpanorenana ny tokony hanaovan’ny parlemantera (CST sy CT) tatitra amin’ireo olomboafidin’ny vondrom-bahoka itsinjaram-pahefana, hoy ny CST Raobivelo Marie Michel Raphaël avy amin’ny vondrona MTS Escopol, satria io no soloin’ny Senatera na CST tena ao anatin’ny andrim-panjakana misy ny CST na Sénat.
Koa noho izay antony izay dia nanao tatitra tamin’ireo Kaominina 7 manodidina an’i Itaosy, dia i Bemasoandro, Andranonahoatra, Itaosy, Ambavahaditokana, Fihombonana, Ankadibevanja ary Ambohidrapeto, ny tenanay, hoy izy. Nantsoina tamin’izany ireo Ben’ny tanàna, ireo mpanolotsain’ny tanàna, ny lehiben’ny Fokontany sy ireo teknisianina any amin’ireny Kaominina ireny nanome ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ka nambara tamin’izy ireo ny zavatra nodinihana tao amin’ny CST sy ny zava-misy eo amin’ny raharahan’ny firenena. Avy eo dia nohenoina ny hetahetan’ireo vahoaka ifotony.
Ny zavatra hita dia liana tamin’ny fanazavana sy tamin’ny fampitam-baovao ry zareo. Ny hetahetan’ny vahoaka ny mba handoavana ny tambin-karaman-dry zareo izay manao ny ainy tsy ho zavatra. Toa ireo Fokontany ao amin’ilay hoe 192 no hitan’ny tompon’andraikitra, hoy izy, ka mampalahelo an-dry zareo fa ny any amin’ny manodidina toa ohatra ny hadino nefa tena manao ny asa ny any. Dia anisan’ny voateny koa, ho an’i Bemasoandro manokana, ny fanamboarana ny lakandrano izay hamatsiana rano ny any amin’iny faritra iny eo amin’ny fambolena. Voaresaka koa ny mikasika ny vonjy voina ka hifanarahana amin’ny “sapeur pompier” Antananarivo Renivohitra. Soso-kevitra moa ny hananganana sampana iray eny amin’ny “Digue” eny mba hanamora ny famonjena ireo traboina. Ny tena zava-dehibe amin’izany dia ambarako fa ilay tatitra tsy maintsy ataon’ny CST amin’ny fotoana tsy hisian’ny fivoriana. Faniriana ny hahavitana ity tatitra ity eny anivon’ny distrikan’Atsimondrano iray manontolo misy anay, hoy ny CST Raobivelo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.