Vaky ambatolampy ny ady eo amin’ny parlemantera sy ny fahefana mpanatanteraka ao Bongolava.
Mitaky ny fialan’ny lehiben’ny faritra, Andry Vorisoa Tafita Aurélien Pascal mantsy ny mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Ramaherijaona sy ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) roa hafa voatendry ao amin’io Faritra io. Resaka fampiharana dina no fototry ny olana. Ny lehiben’ny Faritra dia nametraka ny dinan’ny Bemiray mba hifehezana ny halatra omby. Raha ny nambaran’ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka anefa dia fiarovany tombontsoany manokana no nandraisany io fanapahan-kevitra io fa tsy nakana ny hevitry ny vahoaka. Ireto farany izay mangataka ny hampiharana ny “Dinan’i Melaky”, izay efa hita ny fahombiazany any amin’ity Faritra ity. Kaominina 5 ao Fenoarivobe izao no mandry am-pilaminana rehefa nampihatra ny “Dinan’i Melaky” raha mbola manjaka kosa ny malaso manerana ny Faritra. “Raha nahomby io dinan’ny Bemiray io efa nilamina ny ao Tsiroanomandidy.
Tsy mahagaga raha tsy mahazo olona mihitsy ny lehiben’ny Faritra rehefa manao famoriam-bahoaka momba io”, hoy ny CST Ramaherijaona. Solontenan’ny mponina niharan’ny halatra omby, maty fianakaviana akaiky novonoin’ny dahalo, mpivarotra, mpitondra fivavahana ary maro hafa no niakatra eto an-drenivohitra nijoro vavolombelona ny fanjakazakan’ny dahalo any an-toerana amin’izao fotoana. Omby miisa 203 no lasan’ny malaso hatramin’ny voalohan’ny volana jolay 2012 teo. Tao amin’ny Kaominina Miandrarivo, Marotampona, Amparimiongana ary Fihaonana no nisehoan’ireo fanafihana ireo. 5 kilometatra monja miala ny renivotry ny Faritra anefa no misy ny Kaominina sasany ary andro antoandro no niakatra an-tanàna ireo dahalo am-polony maro. 8 ireo namoy ny ainy tamin’ny Fokonolona vokatry ny fifandonana raha 4 ireo malaso latsaka. Milaza izy ireo fa ratsy noho ny zava-misy any atsimo ny fiainan’ny mponina ao andrefana ao ary io “Dinan’i Melaky” io ihany no hitan’izy ireo fa vahaolana.
Mankato ity dina ity rahateo ny Kaominina 16 ao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy. Efa nisy koa ny fanafarana 100 lahy avy any Maintirano hanofana momba ny “Dinan’i Melaky” saingy noroahan’ny lehiben’ny Faritra araka ny fanazavan-dRajaonah, solontenan’ny mponina. Nanda ny fisian’ny andrimasom-pokonolona 600 lahy napetraky ny CST Alain Ramaroson ao Belobaka koa ny CST Ramaherijaona. Sarimihetsika sy fihetsiketsehana ara-politika fotsiny izany, hoy izy. “Nisehoana fanafihana malaso anie tao Belobaka tamin’ny fotoana nilazana fa nananganana ireo andrimasom-pokonolona ireo e ? ”. Miandrandra ny fanohanan’ny mpitondra foibe ny fampiharana ny “Dinan’i Melaky” ao Bongolava ireto solontena niakatra teto Iarivo notronin’ny parlemanteran’ny tetezamita ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.