CST Rakotovazaha Zazah Herivelo

> Aleo tsy misy fifidianana raha tsy ho kandidŕ i Neny


  • Talata 13 Aogositra 2013

Tafapetraka 70% any amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’i Mampikony Faritra Sofia ny ambaindain’ny antoko Zanak’i Dada.

Hatreto, hoy ny CST Rakotovazaha Zazah Herivelo, dia tsy misy eritreritra ny tsy haha-kandidà an’i Neny Lalao Ravalomanana izany any amin’ity faritra ity fa tena matoky azy tanteraka hamerina ny rava efa natsangan’i Dada tamin’ny fotoan’androny ary hamerina ihany koa ny fandriampahalemana izay zary lasa tahotra iainan’ny vahoaka ankehitriny raha tsy mba nahitana izany tany amin’ity Distrikan’i Mampikony ity fa anisan’ireo nandry fahalemana tanteraka. Efa noporofoin’ny vahoaka tany an-toerana tamin’ny fandalovany tany tamin’ny volana jona lasa teo izany fahatokisana an’i Neny izany. Manome toky izahay mpitarika sy ny mpitolona any Mampikony, hoy ny CST Zazah Herivelo, fa aleonay tsy misy fifidianana toy izay i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà. Koa manentana ny rehetra tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra feno amin’ny fampandaniana an’i Neny ho filoham-pirenena hanarina ity firenena nalatsaka anaty lavaka ity.

 

Ntsoavina Evariste                                           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT