Anatin’ny fiomanana amin’ny fampandaniana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ny ankolafy Ravalomanana ao Amoron’i Mania. Nisy indrindra ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’ny CST Lovanantenaina Rakotonirina mpandrindram-paritry ny ankolafy Ravalomanana ao Amoron’i Mania.
Tia Tanindrazana (TT) : Tonga matetika aty Ambositra ianao tato ho ato, misy hetsika karakarainareo ankolafy Ravalomanana angaha ?
Lovanantenaina Rakotonirina (LNR) : Marina tokoa izany fa tsy mipetraka ela any an-drenivohitra ny tenanay tato ho ato fa efa mihetsiketsika amin’ny fametrahana ny rafitra amin’ny fampandaniana an’i Neny Lalao Ravalomanana ato Amoron’i Mania. Manana kandida amin’ireo ambaratongam-pifidianana rehetra ny ankolafy Ravalomanana. Tsoriko fa efa vonona hampandany an’i Neny “1er tour de vita” ny aty Amoron’i Mania satria efa tafapetraka avokoa amin’izao ireo rafitra isan’ambaratonga sy ny olona hanohana an’i Neny manerana ny Distrika 4 sy Kaominina 55 mandrafitra ny Faritra.
TT : Misy ilay ankolafy Ravalomanana sy Zanak’i Dada samy manohana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, inona no mampiavaka azy ireo satria misy milaza fa mizara ny antokon’ny Filoha Ravalomanana ?
LNR : Marina fa any ambanivohitra any dia maro ny tsy mahafantatra fa ilay antoko Tiako I Madagasikara teo aloha dia efa nisolo ilay antoko politika vaovao antsoina hoe : «Zanak’i Dada» ankehitriny. Ny ankolafy Ravalomanana indray dia vovonam-pikambanana itambaran’ny antoko politika dimy dia ny Zanak’i Dada, MFM, Teza, AMF/3FM ary ny PSD tarihin-Ramatoa Ruffine Tsiranana. Na ny ankolafy Ravalomanana na ny Zanak’i Dada dia tokana ihany ny tanjona dia ny hampandany ny kandida atolotry ny ankolafy Ravalomanana dia i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Miavaka ny faharisihan’ireo antoko sy fikambanana ireo aty Amoron’i Mania satria tafiditra ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Distrikan’i Fandriana izao ny Tiako Fandriana sy ny fikambanana «Roso ny dia».
TT : Misy antoko hafa manohana an’i Neny ve ato Amoron’i Mania ?
LNR : Tsy mbola nivadika tamin’ny Filoha Ravalomanana ny ankamaroan’ny mpanohana azy hatramin’ny 2002 raha ato Amoron’i Mania ary mbola vonona izy ireo hampandany an’i Neny amin’io fifidianana io. Fantatry ny vahoaka aty an-toerana rahateo ny Filoha Ravalomanana hatramin’izay ka hatramin’izao. Porofo ilazako izany dia tsarovy tsara fa nahatratra 60% ny vato azon-dRavalomanana tato amin’ny Faritra tamin’ny fifidianana nahalany azy raha 53% izany tao amin’ny Distrika Ambositra. Ny antoko MFM sy ny Zanak’i Dada no antoko matanjaka indrindra manohana an’i Neny aty Amoron’i Mania satria ny anaran’ny antoko no niova fa ny olona mandrafitra azy tsy misy niala. Tsy azo tsinontsiniavina ny fahalalan’ny vahoaka aty Amoron’i Mania ny Filoha Ravalomanana sy ny fitiavany azy. Antony mahatonga izany ny fahavoazana maro naterak’izao fitondrana tetezamita izao ka mora ho an’ny olona ny nirona amin’i Neny satria betsaka ny olona no mangetaheta ny hitsidihan’i Neny aty Amoron’i Mania.
TT : Mbola mampisalasala ny hahatanteraka ny fifidianana, manana vahaolana handamina izao savorovo izao ve ianareo ?
LNR : Na misy na tsy misy ny fifidianana amin’ny 24 jolay dia efa vonona izahay mpanohana an’i Neny ary azonay antoka fa ho lany izy. Izahay ankolafy Ravalomanana dia manaja ny baiko avy amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny mpitarika eto Madagasikara dia i Mamy Rakotoarivelo. Soso-kevitra arosonay hialana izao savorovoro izao dia tsotra ihany : mila manaja ny tondrozotra nosoniavina ny tsirairay, mody an-tanindrazana ireo sesitany politika ka isan’ireny ny Filoha Marc Ravalomanana, rehefa tonga eto Madagasikara izy dia avelao hanao fampielezan-kevitra miaraka amin’i Neny dia milamina ny firenena. Aiza izao izay korontana nisy teto tamin’ny fahatongavan’i Neny Lalao Ravalomanana na dia efa novoizin’ny sasany fa hisy izany ? Ny Filohan’ny tetezamita sy ny mpomba azy no mahina ny ratsy nataony hatramin’izay ka ataony izay tsy hodian’i Dada an-tanindrazana. Tsy misy demokrasia sy fifidianana milamina anefa eto raha tsy voahaja ny tondrozotra.
Nangonin-dRado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.