Politique

CST Rakotonirina Lovanantenaina “Milalao afo i Andry Rajoelina”


  • Alarobia 20 Febroary 2013

Mbola resabe hatramin’izao ny fanakanana ataon’ny FAT, tsy mamela an-dRtoa Lalao Ravalomanana, vadin’ny filoha teo aloha, hody eto Madagasikara hitsidika ny reniny izay marary mafy.

 Milalao afo i Andry Rajoelina, hoy ny CST Rakotonirina Lovanantenaina. Adidy tsy azo ialana izany fikarakarana ray aman-dreny izany ho an’ny Malagasy, hoy izy. Mbola nohamafisiny ihany koa fa mbola milalao afo ihany ko any filohan’ny FAT amin’ny antsojay atao amin’ny praiminisitra Beriziky. Tohanana sy alamina fotsiny ny olona any Amoron’i Mania, hoy ny CST Rakotonirina Lovanantenaina fa “efa te hitroatra ny vahoaka”. Norebirebena fanovana ny Malagasy, hoy ny CT Rarison Hilarion nanamafy. Nampanantenaina fa 2000 Ar ny litatry ny menaka ary 500 Ar ny kilaon’ny vary. Nambarany ihany koa fa mbola fandrebirebena ihany koa ny nilazan’i Andry Rajoelina fa efa nihevitra ny tsy hilatsaka izy hatramin’izay. Porofon’izany, hoy izy dia voarakitra amin’ilay lalàmpanorenana nampandaniana tamin’ny 2010 fa 35 taona dia afaka mirotska hofidiana ho filoham-pirenena, ao anatin’izany ny tenany ; avy eo indray, ny tetibola 2013 dia natontona tao amin’ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany tantanan’i Hajo Andrianainarivelo koa ny volabe hanomanana fifidianana kinanjo natosiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy mahazo milatsaka vao mikoropaka. Nanana eritreritra hilatsaka ho fidiana i Andry Rajoelina fa tsy tafavoaka, hoy ny CT Rarison Hilarion nanamafy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT