Politique

CST Rakotonirina Lovanantenaina Afaka tanteraka tamin’ny fanenjehana azy ary tsy miala amin’i Dada


  • Alarobia 10 Aprily 2013

Feno roa taona katroka tamin’ity taona 2013 ity no nisamborana an’ny Depioten’Ambositra Rakotonirina Lovanantenaina tao Amboatavo-Itaosy Antananarivo noho ilay resaka «Radion’ny Gasy».

 Ny andron’ny 21 febroary 2011 izy no nosamborina tao an-tokantranony ka ny fitafiana anaovany eto amin’ny sary no nanaovany tamin’io fotoana io. Naharitra herinandro maromaro no nitazonana azy tany am-ponja tamin’izay fotoana izay ka taorian’ny fitsarana azy dia nahazo fahafahana vonjimaika ny lehilahy. Amin’izao fotoana izao dia efa afaka madiodio izy ka nambarany tamin’ny mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana tao Vatovory Ambositra nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2013 izany ny faran’ny herinandro teo.

Voatendry ho Mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny Depiote Lova ankehitriny ary tsy mbola niala tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambarany fa tsy miala amin’i Dada ny tenany sy ny vahoaka mpanaraka azy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. “Dada madigna ro anay”, “Isika tsa miala amin’i Dada” no teny novoiziny isaky ny mihaona amin’ireo mpikatroka ao Ambositra. Tsy mba anisan’ireo mpanao politika tsy mahitsy fandeha sy mpisababaka ny Depiote Lova fa mahitsy hatrany ary tsy mivadika amin’ny foto-kevitra ijoroany. Maniry sy manantena ny hiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara tsy ho ela ny CST Rakotonirina Lovanantenanina miaraka amin’ny vahoaka ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT