Politique

CST Rakotonandrasana Samuel Mety hanova ny tontolo politika ao Manakara


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Raha mbola ao anatin’ny fotoam-pivoriana aza ny CST Rakotonandrasana Samuel dia tsy nahasakana azy nitsoriaka vetivety tany Manakara nitafa tamin’ireo mpikambana fototra ao an-toerana nitatitra mivantana ny fandehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena sy ny ho tohin’ny dingana hataon’ny Tiako i Madagasikara (TIM) misy azy.

 Tsy azo ihodivirana amin’izany ny mahakasika ny Kaominina an-drenivohitr’i Manakara, izy rahateo moa no mpisolovava an’i Andriano Giscard, Ben’ny tanàna nailiky ny FAT teo ambony latabatra, nefa dia nahazo rariny nanoloana ny fitsarana ambony, ka ny fampiharana izay didy navoakan’ny fitsarana ambony izay no heverina fa hampiova ny tontolo politika ao Manakara. Nitondran’ny CST Rakotonandrasana Samuel tatitra ihany koa ny mahakasika ny ao amin’io andrim-panjakana nanendrena azy io sy ny antony nidiran’ny ankolafy Ravalomanana ao.

Teto moa dia namaritra mazava ny tenany fa tsy mbola hita hatramin’izao ny fiaraha-mitantana araka ny voafaritry ny tondrozotra. Na teo aza ny firesahana ny tontolo politika amin’ny ankapobeny dia nibahana tanteraka ny fifanakalozan-kevitra mahakasika mivantana an’i Manakara, ireo mpikatroka TIM sy ireo mpomba an’i Giscard ao an-tanàna izay tsy manaiky raha tsy tafaverina amin’ny toerana nanesorana azy ity farany. Tafa fohy kanefa nisy lanjany tamin’ireo namana TIM ao Manakara io fihaonana io. Marihina moa fa efa manomboka miverina mialokaloka ao amin’ny TIM izay tsy nisintaka ny Filoha mpanorina ireo nania tany an-kafa tsy naharitra ny mena miraviravy.

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT