Politique

CST Lova Rakotonirina “Ho avy i Dada, tsy hisy NOTAM hanakana azy intsony”


  • Alatsinainy 03 Septambra 2012

Nandritra ny fitsidihana sy fampahafantaran’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Atoa Lova Rakotonirina avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania nandritra ny roa herinandro no nahafantarany fa mijaly sy mitaraina noho ny tsy fandriampahalemana ny vahoaka any an-toerana.

 Ankoatra ny fankaherezana sy fanazavan’ity CST ity ny fisian’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita dia nampita ny hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny vahoaka tamin’ireo Kaominina maro notetezina ny tenany sy ny mpiara-dia aminy. Tamin’izany no nahafantaran’ity mpikambana ao amin’ny CST zanak’Ambositra ity fa tena tsy mandry andro sy tsy mandry alina ny vahoaka noho ny asan-dahalo. Maro ny olona efa maty, tsy matahotra fanjakana intsony ny malaso satria anjakazakan’izy ireo ny fiaraha-monina.

Tao amin’ny Kaominina Ihadilanana sy Andina, Distrika Ambositra no namorian’Atoa CST Lova Rakotonirina vahoaka izay nampitany ny hafatry ny Filoha Ravalomanana fa «tsy maintsy ho avy izy, tsy hisy NOTAM intsony hanakana azy” ka na hisy inona na hisy inona hitranga dia tsy maintsy ho avy i Dada fa ny fandraisana azy izao no omanina. “Afa-po” tamin’ny fihaonana natao tany Maputo sy Seychelles i Dada, hoy ihany ny hafatra nampitain’ity CST ity ary “tsy ho ela dia higadona eto an-tanindrazana izy”. Naneho hafaliana feno fanantenana ny vahoaka nandre izany ka samy niloa-bava fa raha tsy nisy ity tetezamita ity dia nilamina ny firenena. Olana goavana ao Amoron’i Mania ity tsy fandriampahalemana ity, hoy ny CST Lova Rakotonirina ka izay mpanao politika hirotsaka hofidiam-bahoaka ao ka mahavaha io olona io no ho lany amin’ny fifidianana.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT