Politique

CST Emile Ratefinanahary Fampihavanana sy fifamelana vao fifidianana


  • Alakamisy 02 Febroary 2012


 Tia Tanindrazana (T.T) - Nisy ny fampiantsoana ny mpanao politika malagasy tany Pretoria nefa mbola savorovoro ara-kevitra hatrany no naterany rehefa tafaverina ireo delegasiona rehetra, ny hevitrao ?

CST Emile Rafetinanahary (Vazaha) : Mazava ho azy ny anton’ny nisian’i Pretoria dia ilay fiverenan’Atoa filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana nokasaina tamin’ny 21 janoary teo. Taorian’iny dia lasa nisafotofoto ny tontolo politika teto satria hatramin’ny nanaovana sonia ny tondrozotra ny 17 septambra 2011 ka hatreo amin’ny fanatanterahana dia efa nisy foana ny tsy fitovizan-kevitra fa niezaka nifandefitra ny rehetra teo amin’ny fametrahana ireo rafitra rehetra ka nisy hatrany ny marimaritra niraisana mba hisian’ny fiaraha-mitantana marina. Tsy nisy fifampiresahana teo amin’Ingahy Ravalomanana sy ny ankolafiny an-daniny ary ny fitondrana tetezamita an-kilany matoa tonga tamin’ireny fanapahan-kevitra ohatra ireny niseho tamin’ny 21 janoary ireny teto amin’ny firenena.

T.T : Tena ilaina ve ny fandehanana tany Pretoria aminao ?

Vazaha : Averiko eto ihany ny teniko tany aloha tany fa izaho dia tena sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena fa mahaleotena i Madagasikara. Marina fa nisy ny krizy tsy voavahantsika ka niantsoana mpanelanelana fa ny fiandrianam-pirenena tsy tokony ho ambanin’izany mpanelanelana izany.

Samy nanana ny fanazavana nomeny ireo delegasiona tafaverina avy any. Tsy mahagaga fa ny masontsivana niantsoana ireo nandeha tany dia tsy nazava ka tsy nitombina ny fiantsoan’ny Troika satria nisy filohana andrim-panjakana tsy nantsoina, nisy mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra tsy nantsoina. Tsy mitombina koa faharoa satria toa baiko tsotra izao no nataon-dry zareo fa tsy misy ilay fifanarahana nodradradradraina ka mety hitarika krizy hafa sy korontana ilay fanelanelanana atao.

T.T : Inona àry no vahaolana atolotra raha izany ?

Vazaha : Tokony harahin’ny rehetra hatrany amin’ny andininy voalohany ka hatrany amin’ny andininy faha-45 ilay sori-dalana. Aoka harahina tsara fa rehefa misy zavatra atao dia ilay rafitra aloha no tsy maintsy apetraka mialoha. Ajoro tahaka ireo efa vita ny CES sy ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (CFM). Rehefa tafajoro daholo ny rafitra dia ireo no hanatanteraka ny fampiharana ilay sori-dalana ary samy manao ny tandrifiny avy amin’izay fa tsy mifangalatra andraikitra. Dia ny fampihavanam-pirenena no idirana dia izay vao miditra amin’ny fanonerana avy eo ny fanarenam-pirenena. Ka antso ho an’ny vahoaka Malagasy dia hoe : aoka samy hanao ny andraikiny ny tsirairay fa tsy mampandeha ny firenena fitsabahana andraikitra.

T.T : Izany hoe ?

Vazaha : Raha fehezina dia ny fiarovana ny tondrozotra aloha no voalohany tokony hatao dia alefaso ny pitsopitsony amin’ny fifidianana avy eo tokony hirosoana ny fifamelana. Tsy vita vetivety io fa ny an’i Afrika Atsimo aza 1994 hatramin’ny 2004, dia manaraka ny fihavanana, ny fanonerana ireo niharam-boina rehetra vao fanarenana ny firenena. Aoka àry mba ho tompon’andraikitra isika mpanao politika fa izany resaka fangataham-pialana 24 ora izany dia mbola fambolena olana vaovao hafa indray.

Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT