Politique

CST Anosikely Nivory maika ireo filoham-baomiera


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

Nivory maika teny amin’ny Lapa maitso Anosikely omaly tontolo, ireo filoham-baomiera ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST.

 Anton’izao fivoriana izao moa dia ny handinihana ny fepetra tokony horaisina manoloana ny sakantsakana mihatra na kasaina hampiharina amin’ireo parlemantera mpikambana ao anatin’ireo vaomiera manokana mpanao fanadihadiana momba ny raharaha mafampana tato anatin’izao tetezamita izao. Re mantsy fa toa hoe misy mikaroka ny fomba rehetra hampandamoka ny asan’ireto vaomiera manokana ireto, eny fa na dia hamoahana na hamoronana dosie aza ireo mpikambana ao aminy mba hitarihana azy eny amin’ny fitsarana. Efa nisy ihany moa ny fanambarana nataon’ireto vaomiera manokana ireto ary nahitsy ny tenin’ny CST Alain Ramaroson tamin’izay fotoana izay : fa tsy maintsy mipoitra ny marina rehetra ary tsy misy mifampatahotra izany eto. Manana ny herinay koa izahay, hoy izy, ary afaka mitarika vahoaka midina an-dalambe raha toa ka ilaina izany.

Efa nafana ny toe-draharaha tamin’iny, niakatra kely indray ny maripana raha nivoaka ilay raharaha CST Alain Tehindrazanarivelo, ary vao mainka tena mangotraka izy izao matoa nisy mihitsy ny fivoriana tampoka. Araka ny tsiliantsofina re dia sorena amin’ny sakantsakana kasaina atao amin’ireo parlemantera hanao fanadihadiana ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny CST, saingy hatreto aloha dia tsy mbola nanao fanambarana ny tenany. Heverina fa tsy maintsy hitatra ity raharaha ity satria raha ny fahitana azy dia tsy hanaiky lembenana ireto mpikambana CST ireto, ny vahoaka rahateo miandry raha tena sahy hanadihady sy hamoaka ny marina tokoa izy ireo momba ny raharaha Nadine Ramaroson, ny boaderozy ny resaka ady tany ; ary tena miankina betsaka amin’izay ny haha voafidy na tsia azy ireo rehefa raikitra, any aoriana any ny fifidianana solombavambahoaka sy loholona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT