Politique

CST Anosikely Lany fa nasiam-panitsiana ilay «code d’éthique»


  • Alarobia 11 Aprily 2012

CST 49 tamin’ireo 91 tonga namonjy fivoriana tetsy Anosikely omaly, tsy nahitana ankolafy Ravalomanana, no nandany ilay volavolan-dalŕna lah.008/2012 tamin’ny 27 martsa 2012 mikasika ny Fitsipi-pitondran-tena sy fahaiza-miaina ara-politika raha 2 no tsy nilaza ny heviny.

 Nitondra fanitsiana tamin’ny andininy vitsivitsy ny CST. Mpikambana 45 no nahatonga fialan-tsiny ara-dalàna tamin’ity fivoriana ity izany hoe nahazo ny fetr’isa nilaina, hoy ny fanamarihana azo teny an-toerana. Naharitraritra ihany ny fivoriana fa tsy maintsy noresahina tamin’ny antsipirihany ny asam-baomiera ary nolaniana niaraka tamin’izany ny soso-kevitra azo tany vao nolaniana tamin’ny ankapobeny, hoy Rtoa Lanto Rakotomavo filoha lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita niara-nitantana ny fivoriana nitambarambe niaraka tamin’ny jeneraly Dolin filohany teny Anosikely omaly. Ny tena marina, hoy izy, ao anatin’ilay «code d’éthique» ho an’ny mpanao politika dia hoe : mety marina ve amin’izao fotoana izao ny hanaovana ity lalàna ity, ary lalàna hifehy hatraiza izy ity ? Faharoa dia hoe : rehefa atao ity, dia natao hampihavana ve sa natao hanasavoritaka indray ? Farany dia hoe rehefa nandinika dia tokony harahina satria lalàna no ataontsika.

Dia samy namoaka sy nilaza ny heviny teo ny rehetra. Ny zavatra tsara sy azo raisina dia hoe manana lalàna mifehy ankoatra ny efa fomba firesahana sy mahazatra izany ankehitriny ny mpanao politika mikasika io fahaiza-miaina sy fanavahana ny hoe iza marina ny manao politika dia iza ilay tsy mpanao politika ? Ny tiana holazaina amin’izay, hoy Rtoa Lanto Rakotomavo, dia misy ny atao hoe fiarahamonina sivily dia misy ireo mpanao politika ka tokony hiavaka tsara ireo ary samy tokony hanao ny asany. Nisy ihany moa ny nitondra soso-kevitra vaovao tsy tao anatin’ny volavola natolotry ny governemanta sy ny tany amin’ny asam-baomiera dia ry zareo Escopol izay nihevitra ny hampiditra andininy vaovao izay mahakasika ny filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ho avy. Tsy neken’ny rehetra izany satria lalàna no atao ka tsy tokony hahakasika olona na hisy fisivanana olona ny resaka «code d’éthique».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT