Nandritra ny fandalovan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony tetezamita Atoa Andry Rasolofo tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania omaly alarobia 25 jolay no nanazavany ny fahitany ny toe-draharam-pirenena tao amin’ny onjampeo iray tao Ambositra.
Nambarany fa manantena ny vokatry ny fihaonan’ny Filohan’ny tetezamita Atoa Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Seychelles ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Amin’ny maha-olom-pirenena azy dia nambarany fa “ny famaranana izao krizy izao ny mahamaika ary raha io fihaonana io no hahatongavana amin’izany dia azo ekena”. Tsy tokony hisy intsony anefa, hoy ity mpikambana ao amin’ny Antoko Fihavanantsika ity ny fanaovana fifanarahana mitovy ireo efa natao hatramin’izay na teto an-toerana na tany ivelany ireny ka tsy nahitam-bokany.
“Mitarika krizy vaovao indray raha mandamoka io fihaonana io”, ka amin’ity CST ity dia “tokony hifandefitra izy mirahalahy mianaka mba hivoahana amin’izao krizy izao”. Samy vonona hihaona izy ireo dia amin’ny maha Malagasy fotsiny aza dia zon’izy tsirairay avy ny mitady ny hahasoa ny firenena. Vokatry ny kajikajy politika maro nisy hatramin’izay dia efa maro ireo mpanao politika sasany nanao sonia ny tondrozotra no mahatsiaro voailika sy natao an-jorom-bala ka mahatsiaro tsy faly amin’ny vokatra tsara avoakan’io fihaonana io. Tsy tokony hisy intsony, hoy Atoa Andry Rasolofo ny fijoroan’ny tetezamita vaovao fa miteraka krizy lavareny hafa indray.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.