Politique

CST Alain Ramaroson Mitaky ny hialan’ny lehiben’ny Faritra Itasy


  • Talata 07 Aogositra 2012

Raharaha mahasaropiaro ny CST Alain Ramaroson ny resaka ady tany, indrindra raha misy vahoaka esorina amin’ny taniny.

 Lefitry ny vaomiera misahana ny fanajariana ny tany sy ny fitantanana ny lafintany eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita rahateo ny tenany. Ny faran’ny herinandro teo dia nidina tany Faharetana Arivonimamo indray izy noho ny fitarainan’ny vahoaka izay esorin’ny orinasa Bionexx amin’ny tany amboleny sy onenany. Efa ela no nisy ity olana ity ary fony fahavelony aza tompokovavy minisitry ny mponina Ramaroson Nadine no efa niezaka nandamina ny raharaha saingy mbola mitohy ny disadisa hatramin’izao. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina dia mirefy 600 ha ny tany ao Faharetana ka ny 400 ha an’ny Bionex amboleny “artemisia” izay hazo fanamboarana fanafody.

Fananan’ireo tantsaha kosa ny 200 ha izay sady anorenany trano no misy ny famboleny, foto-pivelomany ihany koa. 6.000 ny isan’ny mponina ao Faharetana. Araka ny fitarainan’ireo tantsaha ireo dia misisika hanala azy ireo hatrany ity orinasa ity ary mampiasa hery mihitsy. “Enjehana amin’ny vody basy izahay” hoy i Njaka nijoro vavolombelona. Eo anatrehan’izany dia niaka-pofona tanteraka ny CST Alain Ramaroson ka mitaky ny fampitsaharana ny fanesorana ireo vahoaka ireo amin’ny taniny araka ny fanapahan-kevitry ny minisitra tamin’ny 23 mey 2012 lasa teo. “Efa nifampiresaka tamin’ny filohan’ny FAT koa ny tenako ankoatra io fa tsy azo ekena mihitsy izany fandroahana olona sy fanapotehana trano izany”, hoy izy.

Amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana azy eo anivon’ny CST koa dia omeny baiko hampiato ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka ireo zandary karamain’ny Bionexx. Momba ity orinasa ity manokana dia milaza hanao fanadihadiana ny fomba nahazoany ny tany 400 ha ao Faharetana ny CST Alain Ramaroson. Nahazo ny anjarany avy aminy koa anefa ny lehiben’ny Faritra Itasy amin’ity raharaha ity. “Mba mponina avy eto ihany izy nefa mandroaka ireto vahoaka ireto. Hatrany Miarinarivo no misy fitarainana momba azy ka ny miala no mety aminy rehefa tsy mahay ny asany”, hoy ingahy Alain Ramaroson. Matetika no mitabataba ity olana ara-tany ao Faharetana ity ny fianakaviana Ramaroson raha tsy mbola andrenesam-peo mihitsy ny Bionexx.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT