Hanankarem-baovao ary hafanafana ity herinandro diavina ity.
Niakatra nanaraka izay koa ny maripana tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka. «Ny sori-dalana no nahatonga ahy sy Andry Rajoelina tao anaty fanjakana. Nialoha ny 16 septambra 2011 aho dia tsy nahalala izany Andry Rajoelina izany, fa mpanongam-panjakana no namantarako azy. Samy voatendry izahay izao ka tsy misy tombony izy”, hoy i Constant Raveloson tetsy Behoririka omaly, izay nanamafy fa manao ny asa nanendrena azy no ataony izao. “Misy tompon’andraikitra io NOTAM io. Iza tamin’ireo notendren’i Andry Rajoelina ? Anatin’ny asanay ny manadihady, mijery, manilika ary manasazy sy manala izay minisitra misarigaigy manao ki-NOTAM ki-NOTAM, hoy izy. Eo koa ny manao izay hanalana ireo olona mamelona korontana eto Madagasikara toy ny AV7 izay mandranitra sy manakorontana kanefa avela malalaka.Manao zinona ny sori-dalana izany”, hoy ihany ity mpitaritolona sady mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity.
“Mpamadika aho raha miala amin’izao ka tsy manao na inona na inona manoloana ireo rehetra ireo, raha tsy hoe misy toromarika manokana avy amin’ny filoha Ravalomanana”, hoy ihany izy. Nankahery hatrany ireo mpiara-dia aminy moa ny tenany ary nilaza fa dia “ireo tompon-keloka tsy mahavanona izao tetezamita izao dia tsy maintsy trongisinay”. Ho an’i Olivier Rakotovazaha, Sekretera jeneralin’ny MFM sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita moa dia tsotra ny resaka fa ny zavatra rehetra ataon’i Andry Rajoelina sy ny tariny dia mbola mampiseho fa nalainy teny an-dalambe ny fanjakana.
Hifanilihana, ohatra, ny andraikitra ny amin’izay nanao ilay NOTAM. Milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izy io manko ny tale jeneralin’ny Acm, hoy izy kanefa na ny minisitry ny fitaterana aza tsy afaka manao fa ny tale jeneralin’ny ACM ihany, hoy ity minisitry ny fitaterana teo aloha ity. Ny tsy fahaizan’ny mpitondra no mahatonga izao zavatra rehetra miseho izao ary dia miha-ratsy andro aman’alina izany. Ny filoha Ravalomanana ihany no afaka handamina ny tany, hoy izy ary tohanana hatrany ny hisiana fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoham-pirenena sy ireo filohana antoko politika izay kasain-dRatsiraka hatao, tohanan’i Zafy Albert ary tsy natosik’i Marc Ravalomanana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.