Politique

Constant Raveloson «Tonga ny fotoana !”


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

«Avy aiza ny raopilanina boatin-tsaridinina ? Aiza sy ahoana ny momba ireo helikoptera efatra novidian’ny FAT ?».

 Fanontaniana naverimberin’i Constant Raveloson ireo omaly manoloana ny olana teknika sahady nahazo ilay Airbus vao novidian’i Andry Rajoelina tsy ela akory izay ho an’ny Air Madagascar. «Tonga ny fotoana hanitrikitrihana fa mila miala ny mpivarotra ain’olona», hoy ity mpitari-tolona MFM sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. «Volan’ny Malagasy no nanaovan-dRajoelina mandidy dia homana tamin’ireny”, hoy ihany izy manamafy.

Afaka tapa-bolana dia higadona ny 1 mey avy eo ny 13 mey izay daty manan-tantara eto amin’ny firenena. Momba iry voalohany dia Fetin’ny asa ka tonga ny fotoana hampamoahana an-dRajoelina ireo asa very tsy latsaky ny 250 000 noho ny fanonganam-panjakana nataony, hoy ihany i Constant Raveloson. Ireo very asa ireo dia zary lasa sakana ho an’ireo tanora vao nahavita fianarana. Ary dia nambaran’ity mpanao politika moa fa dia “zaran-dRajoelina aza mitokona ny eny Ankatso satria tsy manana asa ho azy ireo ny FAT”.

Ankoatra izay dia nambarany fa fakofakon-taratasy, peta-toko ny didy aman-dalàna izay heverina fa lakilen’ny tetezamita. Manoloana izany dia safidy roa ihany ny an’i Andry Rajoelina na izy miala na izy hankato ny fahefana mpanao lalàna ka hanala an-dRazanamahasoa Christine, tsy ho minisitry ny fitsarana. Nanentana ireo mpiara-mitolona aminy koa ity mpitarika etsy amin’ny Magro ity manoloana ny fisian’ny hetsika etsy sy eroa milaza ho manana vahaolana amin’izao krizy izao. Ho an’i Constant Raveloson dia tsotra ny resaka. “Rehefa tsy Ravalomanana no mifandamina eto dia tsy hilamina eto satria Ravalomanana no naongana”. Famarana sy fandrefesana ireo mpiketrika rehetra ireo na sivily na miaramila, hoy ihany i Constant Raveloson ny momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Anisan’ny hanavahana ny vary sy ny tsiparifary izany, hoy ihany izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT