Politique

Constant Raveloson Telo ihany no vatolampy hifaharana


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Nohamafisin’i Constant Raveloson fa dia fotoanan’ny paipaika sy ny tolona ambony vatolampy izao dingana misy ny tolona izao.

 Izay tsy mahay mihazona, hoy izy no ho vaky loha. Nosinganiny tamin’izany ry zareo milaza fa hery afovoany. Raha ny zavatra hita, hoy ihany ity mpitari-tolona ity dia tsy misy izany afovoany izany amin’izao fa na miara-dia amin’ny mpanongam-panjakana, na manohitra azy ireo. Vatolampy telo no azo hamaharana, araka ny fanazavana dia ny amiraly Didier Ratsiraka izay tsy mbola niova tamin’ny teniny raha tonga eto an-tanindrazana dia ny fanatontosana ny dinik’ireo filohana ankolafy efatra sy ireo lehibena antoko politika hafa ary ny fiarahamonim-pirenena. Eo koa ny profesora Zafy Albert izay tsy mbola niova amin’ny heviny, dia ny tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina. Farany dia ny filoha Ravalomanana izay nametraka mazava ny fepetra hidiran’ny ankolafiny ao anatin’ny governemanta. Sambany, hoy ihany i Constant Raveloson no nisy olona notendrena ho minisitra kanefa izy indray no mametraka ny fepetra takiany. Anisan’izany ny famahana ny gadra politika, ny fampodiana ireo sesitany rehetra ary ny fanalalahana sy famoahana ireo haino aman-jery. Nambarany moa fa tsy hijanona fa ho eo an-kianja hatrany ireo mpitolona mandrapahatongan’izay andrasana dia ny fiavian’ny filoha Marc Ravalomanana.
Nagonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT