Politique

Constant Raveloson “Tandremo fa fetsy ny jeneraly Ravalomanana !”


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Tsy mbola tafapetraka eto Madagasikara mihitsy ny fitoniana, na ara-politika izany na ara-tsosialy, araka ny fahitan’Atoa Constant Raveloson azy.

 Izy moa dia sady sendikalista, mpitarika ao amin’ny MFM ary farany teo dia voatendry ho mpikambana CT amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana. Nahitsy ny teniny fa ny jeneraly Richard Ravalomanana no nanidy ny vavahadin’ny kianjan’Ambohijatovo ny talata lasa teo, ka tsy nahafahan’ny mpiara-dia amin’ny ankolafy Zafy Albert niditra tao amin’izany kianjan’ny demokrasia izany. Azo ambara, hoy i Constant Raveloson fa tompon’andraikitra tamin’ny savorovoro ity manamboninahitra ity ary tena tompon’antoka ihany koa amin’ny tsy fipetrahan’ny fitoniana eto. Fetsy sy marani-tsaina ny jeneraly Richard Ravalomanana, hoy ihany ny fanazavany. Manao teny feno fandrahonana sy miendrika fihantsiana mihitsy izy.

Mialoha ny hetsika iray hotanterahan’ny mpanohitra, midina eny amin’ny toerana misy ny hetsika mihitsy izy tenany, miaraka amin’ny fihetsiketsehana isan-karazany. Mety misy ny olona tezitra na rangitra mahita azy, na mahare ny teniny dia tafiditra anaty vela-pandrika avy hatrany satria mety hihoa-pefy, ka hosamborina mora foana. Mila mailo dia mailo amin’ny zavatra ambaran’ity jeneraly ity, hoy i Constant Raveloson satria manana ny paikadiny izy. Momba ny tetezamita amin’ny ankapobeny kosa dia nilaza ity mpikambana CT ity fa tsy mahafehy na inona na inona intsony i Andry Rajoelina. Tsy tokony hanangana fahavalo hafa indray izy ka hanakana ny fodian-dRavalomanana, na hisambotra an’i Zafy Albert, na koa hanao teny tsy voahevitra momba ny amiraly Ratsiraka. Filoham-pirenena teo aloha tsy azo tsinontsinoavina mihitsy izy telo mirahalahy ireo, hoy izy ka aleo mifampiresaka toy izay miady aminy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT