“Tsy haitraitra na filam-baniny na hoe mihetsika ny vazimban’ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hoe fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana fa tsotra ny antony. Mila avitrana ny firenena malagasy noho ny ota fady nataon-dRajoelina sy ny miaramila sasany ny 17 martsa 2009”, hoy Raveloson Constant.
“Ilay raiamandreny notsinontsiniavina, tsy sahin-dRajoelina tononina na dia ny anarany aza, ary tsy sahiny ny milaza ampahibemaso fa atahorany ny fiverenany, ny fahatongavan’iny raiamandreny iny no hampivitrana ny Malagasy”, hoy ihany izy nanamafy. Tsy misy antony tokony hifamaliana intsony rehefa tonga eto ny filoha Ravalomanana, araka ny fanazavana. Fahendrena lehibe voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana, indrindra fa ny drafitra fampiharana azy ny nametrahan’ny SADC ny fanafoanana ny fanenjehana rehetra noho ny antony ara-politika, ny fanalalahana ny haino aman-jery rehetra hahazoan’ny vahoaka miresaka politika, ny famerenana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra tsy ankanavaka.
Misoratra avokoa izany, hoy ity mpitaritolona avy amin’ny Mafana ity, sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izay nilaza fa misy zava-dehibe andrasana amin’ity herinandro ity. Ilay praiminisitra napetraky ny namana manko, hoy izy dia tsy heno rehefa miresaka ny famoahana ireo gadra politika ary milaza fa tsy mbola feno ny fepetra rehefa miteny ny momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Eo anivon’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra (CST) ambonin’ny tetezamita no mametraka ny fahazoan’ny CT sy CST manadina ny mpanatanteraka.
Raha ny fanazavana dia apetraka ho lalàna hitondra sy hifehy ny tetezamita ny sori-dalana ka rehefa tsy hanao izany ny FAT dia tsy tetezamita izy ireo. Momba ny fitsapan-kevi-bahoaka nataon’ny FAT moa dia nambarany fa dia fifidianana tsy madio, nitanila ary tsy nangarahara iny fa sitrapo fotsiny. Ny andininy faha-30 ao amin’ny sori-dalana rahateo dia milaza mazava fa foana avokoa izany izay zavatra nokononin’ny FAT samirery nialoha ny nanaovana sonia ny sori-dalana. “Efa samy fanjakana izao”, hoy ihany Raveloson Constant ka tsy hisy hanaiky lembenana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.