Politique

Constant Raveloson Rajoelina no mila amnistia


  • Zoma 10 Febroary 2012

Miteraka adihevitra sy fahadisoan-kevitra be amin’izao fotoana izao ny resaka hoe famafan-keloka na amnistia omena na tsia an-dRavalomanana.

 Manana ny fomba fijeriny izany ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Constant Raveloson. Ho azy dia tokony avahana ny amnistia mahazatra sy ny hoe fanafoanana ny fanenjehana nateraky ny fanonganam-panjakana izay midika ho famerezana zo politika fa atao endrika fitsarana sy heloka tsotra. Taterina aminao amin’ny antsipirihany ny fanazavany.

Tia Tanindrazana (TT) : Adihevitra be ity resaka amnistia na fanafoanan-tsazy ity, indrindra fa ny hoe homena izany ve ny filoha Marc Ravalomanan sa tsia. Ny fahitanao izay ?

Constant Raveloson (CR) : Mazava ary mibaribary fa nirahin-dRajoelina ny olona haka ny lapa ka i Monja Roindefo no nahazo ny baiko tamin’izany, ny 7 febroary 2009. Efa tao anatin’ireo tetika fanonganam-panjakana daholo izany. Natao izay nampivarahontsana ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka tamin’izany. Fanaon’ny mpanongam-panjakana maneran-tany izany ka ireny nitranga ny nialoha sy ny 26 janoary ireny. Tao anatin’izany koa ny 7 febroary. Namorona atambo ary dia hita tamin’ny fahitalavitra France 24 sy ny tatitra nataon’i Charles Andrianasoavina izany. Hatrany Maputo ka hatramin’ity sori-dalana ity dia tsy ilay famotsoran-keloka na amnistia mahazatra antsika ireny no resaka. Izany hoe tsy ilay hoe voasazy dia fafana ny heloka. Tsy izay fa ny fampitsaharana fotsiny tsotra izao ny fanenjehana ara-politika. Nampiasaina ny fitsarana hamerezana ny filoha Marc Ravalomanana tsy ho afaka hiverina eo amin’ny fitondrana. Ary tsara marihina fa tsy Ravalomanana no mibaiko ny miaramila ao Ambohitsorohitra. Noho izany, izany resaka amnistia izany tsy mihatra amin-dRavalomanana ary tsy izy irery ihany fa misy olona hafa ihany koa satria resaka politika. Izany no tsy hanejehan-dRajoelina ny raharaha 26 janoary satria resaka politika ireny.

 TT : Voizina fa mikolokolo ny tsy maha maty manota ny fanomezana amnistia ?

CR : Ny zava-nitranga ny 26 janoary sy ny tenin-dRajoelina hoe alaivo ny lapa, ireo no mikolokolo ny hoe tsy maty manota. I Andry Rajoelina, araka izany, no mila amnistia. Raha ny fifanarahan’i Cotonou anie ka tsy tokony hitondra izy e ! Izany hoe ny talohan’ny 17 septambra 2011 rehetra dia tsy izy satria nisora-tena, nandrobaka fahefana izy, ary efa nanozona ny tenany tsy hitondra fanjakana intsony. Tena fandeferana lehibe ny nanekena ny sori-dalana nametraka azy ho filohan’ny tetezamita ka rehefa tsy sori-dalana no hampiharina dia tsy izy izay. Ny olona nanao heloka tsy azo avela dia i Andry Rajoelina. Ilay atao hoe «crime de sang» no nataony. Misy trosan’ny ran’ireny olona maty ireny any aminy ary tena tokony hieritreritra izy fa mpamono olona.

 TT : Ahoana indray ireny lahatenin’i Andry Rajoelina tamin’ny 7 febroary ireny ?

CR : Efa tena lasa farahidiny, tena farany ambany. Ireny tenin’i Andry Rajoelina ireny dia managaoma na mamafa tanteraka ny hoe izy no filohan’ny tetezamita.

TT : Teninao farany tompoko !

CR : Tiako marihina fa tsy hoe rehefa tsy tafody Rtoa Lalao Ravalomanana dia izay no hararaotina hanarahana ny fanirian-dRajoelina hiliba samirery ao anatin’io tetezamita io ka hoe handeha izahay. Tsy avelanay hanjaka tokana izy ary raha tsy ny filoha Ravalomanana no miteny aminay hoe miala ao izahay dia tsy hiala izahay. Ankoatra izay, araka ny resaka teo aloha, ny volavolan-dalàna aroso eo anivon’ny Parlemanta izany dia tokony hisy io fampitsaharana ny famerezana zo ara-politika natao io. Ho an’ny filoha Marc Ravalomanana manokana dia fampitsaharana tanteraka ny fanenjehana noforonina ara-politika ary fanekena sy famerenana ny zony feno tsy anombinana amin’ny maha olona afaka sy madio fa tsy ilay amnistia mahazatra.

Nangonin’i Soa

Sary : Constant Raveloson, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT