Samy manana ny fahitany ny zavatra hitranga taorian’ny fihaonan’ny SADC ireo mpanao politika. Misy lafin-javatra maromaro no isarihan’i Constant Raveloson ny eritreritry ny olom-pirenena izay manambara fa tsy ho mora ny dingana manaraka.
Tia Tanindrazana (TT) : Ahoana ny fahitanao ny fehin-kevitry ny SADC araka izay nitateran’i Marc Ravalomanana azy ?
Constant Raveloson (CR) : Tsy mbola ananako aloha hatreto ny momba ireo jeneraly telo niara-dia tamin’i Andry Rajoelina. Na izany na tsy izany, misy lafin-javatra telo tiako hisarihana ny sain’ny rehetra. Ny voalohany dia ny hoe tena hisy fahasamihafana tamin’izay tapaky ny filoha afrikana eo anivon’ny SADC ve iny ? Manao ahoana koa ny fiakaran’io any amin’ny Vondrona Afrikana sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Raha bangoina dia noteren’ny SADC ny FAT hanaiky fa ny fifidianana ihany no hifanintsanana eto.
Santionany tamin’ireo be galona nanao vava teto, manao izay tsy hiverenan’ny firenena amin’ny laoniny ireny lasa tany ireny. Hitohy hanao politika ve izy ireo ? Mibaribary be manko fa Rajoelina no saribakolin’izy ireo. Etsy andanin’izany dia anjarantsika tia tanindrazana ny manetsika sy mamelona ny hasin’ny Repoblika.
TT : Azonao hazavaina bebe kokoa ve ?
CR : Isika mila manatsoaka haingana ny dingana vaovao tsy maintsy hatrehina. Tsy mandeha ho azy. Hita tao anatin’izay telo taona izay hoe tsy mandeha ho azy izay tapaka. Na ohatran’ny toa mihatra aza dia misy paika, tsy tahotra, tsy henatra ataon’ireo mpivadi-dela, hanodinana ny fampiharana ny tena izy ho lasa toy ny hena an-tanan-tsaka. Ohatra mivaingana raisiko. Ilay vaomiera iraisan’ny andrim-pitondrana tokony ho nanao tolo-kevitra marimaritra iraisana nanao zinona ilay volavolan-dalàna momba ny amnistia. Natao tian-kano, tsy tian-kano, tsy mendrika akory amin’ny asa-na ministera.
TT : Inona izany izao no dingana manaraka ?
CR : Raha mandeha amin’io dingana io dia ho sarotra. Atao ahoana izao ny minisitry ny fitsarana, ny ministry ny ati-tany ? Ahoana ny hahatonga ireo be galona tsy hanao teti-panorona handrava fa hankatoa sy hiaro izay fifanarahana politika ? Manaiky ny hisiana dinika eo anivon’ny foloalindahy, eo amin’ny foloalindahy sy ny sivily ho fanatanterahana izay tapaka ?
Ny zava-dehibe dia samy mahatsapa ny rehetra fa fanjakana tsy mahefa intsony ny eto, tsy mahavita mampandeha ny asam-panjakana, tsy ankatoavin’ny iraisam-pirenena. Lamokany ny fanonganam-panjakana natao ka lasa fitondrana lamokany, nandamoka koa ny fiainana ara-tsosialy sy toekaren’ny mponina. Zava-dehibe amin’io dingana io dia afaka miatrika izay fahasahirana izay ny hery rehetra fa tsy ho lany andro manenjika an-dRavalomanana. Ankoatra izay dia mahalasa ny saiko ihany hoe toa asaina mifidy ny vahoaka hoe Andry Rajoelina sa Marc Ravalomanana. Afaka mirotsaka ve ny mpanongam-panjakana ?
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.