Politique

Constant Raveloson «Nilaza ny marina momba ny tenany Rajoelina”


  • Alakamisy 05 Janoary 2012

Tsy nisy na inona na inona avy amin’i Andry Rajoelina ny zavatra niseho tamin’ny faran’ny taona fa sary sy feo fotsiny ihany dia izay, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Raveloson Constant.

 Io no fanamarihana nataony momba ny lahatenin’ny filohan’ny FAT tamin’ny 31 desambra 2011. Tsy nisy resaka na ny mpiasam-panjakana na ny miaramila na Toliara, hoy izy. Andrim-panjakana lehibe natao hitandro ny aina sy ny fananantsika no miady, hoy izy kanefa dia tsy manan-kolazaina ilay filohan’ny tetezamita. Tsy nisy resaka afa tsy ny momba ny mpanao politika no nataony izay nambarany fa miady seza sy mibodo toerana. Nambaran’i Constant Raveloson moa fa dia marina ny voalazan’i Andry Rajoelina satria ny mpanao politika toa an’i Andry Rajoelina tokoa no mampikatso ny firenena, satria mibodo toerana. Efa zavatra tenierana, ohatra, hoy izy dia lavina.

Lasa manana “quota” izany koa ny filohan’ny FAT amin’ny fanendrena olona anaty andrim-panjakana. Vokany, lasa tsy misy hajany intsony ny maha mpikambana ao amin’ny Kongresy na ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita satria kitranoantrano sy ny akamakama no manjaka. «Tsy nisy zava-baovao raha ny kabarin-dRajoelina fa ny fahagagana dia mba nilaza ny marina momba ny tenany izy», hoy ihany i Constant Raveloson. Tsy nisy nahavita ny vitan-dRajoelina teto, hoy ihany izy dia ny fandrombaham-pahefana tamin-kery, ny fanaovana fifidianana izay ratsy indrindra. Nanentana ireo mpiara-dia aminy moa ny tenany mba ho mailo mandrakariva amin’izay fifidianana kononkononin’ny FAT.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT