Politique

Constant Raveloson Nanao valin-kafatra ho an-dRajoelina


  • Alakamisy 28 Febroary 2013

“Iza moa i Andry Rajoelina ? Nandihy kilalaka izy ny andro nahafatesan’ny rafozany. Matanjaka noho i Frantsa angaha izy ka sahy handroaka ny Malagasy tonga eto an-tanindrazana ? Tamin’ny fanjanahantany aza dia nampodian’ny Frantsay ireo sesitany rehetra”.

 Ampahany amin’ireo fanontaniana miendrika valin-kafatra ho an’i Andry Rajoelina napetrak’i Constant Raveloson ireo tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly manoloana ny fihetsika sy ny tenin’i Andry Rajoelina manoloana ny famelany an-dRtoa Lalao Ravalomanana hitsidika ny reniny eto. Soa fa nanao ireny teniny ireny i Andry Rajoelina, tany Toliara, hoy ihany Raveloson Constant. Manaporofo ny fitondran’i Baroa ireny. Tokony hanao ampamoaka an’ireny tenin’i Andry Rajoelina ireny ny CT sy ny CST, hoy Raveloson Constant. “Lalàna aiza ao amin’ny lalàmpanorenana sy ny sori-dalana no manome fahefana an’i Andry Rajoelina handroaka ny teratany Malagasy eto an-tanindrazana ?”, hoy ihany ity birao politikan’ny antoko MFM ity izay nilaza fa efa biby ny fitondran’ny mpanongam-panjakana.

Tsy mbola nisy fianakaviana tafasaraka sy namoy havana maro toy izao tamin’ny fitondran-dRajoelina izao, hoy izy. Tetsy andanin’izany dia mbola nohamafisiny ihany koa ireo fahotana 10 nataon-dRajoelina nandikana ny andininy faha-15 ao amin’ny sori-dalana. Ny sori-dalana anefa no lalàmpanorenan’ny tetezamita kanefa dia io no hosihoseny tamin’ireo heloka 10 ireo, hoy ihany Raveloson Constant izay nanamarika fa io sori-dalana io ihany koa no maha filohan’ny tetezamita an-dRajoelina sy maha mpikambana ao amin’ny CT an-dRaveloson Constant. Im-polo nohosihosehan-dRajoelina ny lalàna nolanian’ny CT sy CST, hoy izy. Voahosy koa, araka izany, ny hasin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo izay rehetra nanao sonia iny sori-dalana iny. Fanontaniana hatrany moa no apetrany raha toa ka tetezamita fandrombahana ny safidy na tetezamita ho any amin’ny demokrasia no tanjona ary hatao ahoana ny fahefan-dRajoelina ? Anjaran’ny Malagasy ny mitsara, hoy ihany izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT