Elaela no tsy nahenoana ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Constant Raveloson, mpikambana eo anivon’ny antoko MFM sy ny komity miaro ny fiainam-bahoaka KMFB.
Anisan’ny nikaon-doha niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena momba ny fanatsarana ny lalam-pifidianana tetsy Faravohitra ny tenany hatry ny omaly ary dia nanamafy fa mbola misy farasisana kolontsain’ny hena an-tanan-tsaka tavela amin’izao fitondrana izao raha hiresaka mikasika ny lalam-pifidianana sy ny andininy ao anaty lalàmpanorenana mifandraika amin’izany. Ilay andininy faha-46, 47,48 ao amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra ny tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana 2 volana mialoha ny fahataperan’ny fepotoam-piasany farafahatarany raha te hirotsaka ho kandida, hoy ny tenany, no tena ahitana izany satria misy kajy tian’ny fitondrana atao ao. Amin’ilay lalana vaovao tian’izy ireo apetraka dia voafaritra ao amin’ny andininy faha-6 fa raha tsy lany amin’ny fihodinana voalohany ny filoham-pirenena am-perinasa nirotsaka hofidiana dia foana ho azy ny fametraham-pialany ary miverina amin’ny andraikitra maha filoha azy indray izy. Midika izany, hoy i Constant Raveloson fa afaka hanohana izay kandida metimety aminy izy mandritry ny fihodinana faharoa ary dia eo am-pelatanany ny fomba rehetra hahafahana mandany izany. Izay ilay kolontsain’ny hena an-tanan-tsaka. Ny filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa moa tetsy an-kilany dia nanamafy fa “ny kajikajy politika rehefa tsy natao hanasoavam-bahoaka fa hanaovana izay hahazoam-bato fotsiny dia nampiongana mpitondra teto hatrany”. Ny teo anivon’ny KMF/CNOE koa iny omaly iny dia mbola nanamafy nandritry ny fivorian’izy ireo tetsy Antanimena fa miteraka tsy fitoniana ny ahiahy rehefa tsy mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka ny vokatra mivoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.