Aza mety mitady zavatra sarotra sy lalina isika raha misy milaza fa lava loatra ity krizy ity, hoy Raveloson Constant tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly talata, fa izy ihany no nahatonga izao.
Mikasika ny jeneraly kely miafina ao ambadiky ny jeneraly be te hanadio tena dia ambaranay mazava fa isiky ny mijoro Antananarivo dia ataony mihoa-pefy amin’ny lakrimozena. Navoakan’ny aterineto, hoy ity sendikalista mpitari-tolona ity, fa mahavoan’ny homamiadana io lakrimozena atoraka ny olona eto Madagasikara io ka fanosihosena ny zon’olombelona tsotra izao izany. Raha ny mikasika ny vavahadin’ny zaridainan’Ambohijatovo dia nahitsy dia nahitsy ny tenin’ity CT ity niantefa amin’ny PDS n’Antananarivo-Renivohitra Edgard Razafindravahy fa aoka izay. Tandremo fa Antananarivo anie maditra vahoaka ê ! Tsy mila mpitondra tanàna misitrika ao ambadiky ny famoretana vahoaka izy ary izany prefet de police izany anie ka mpanatanteraka teknika fa ianao no masi-mandidy ê ! Mamosavy antsika izao fitondrana an’Antananarivo izao, hoy ihany Raveloson Constant. Loza, hoy izy, ny nentin-dRajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana, «nahay niditra ianao dia mahaiza koa mivoaka». Akoho tsy naneno ohatra izay efa lanin’ny kary, lany tetika ianao ka tsy mahazaka fanjakana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.