Fahotana 10 no iampangana an-dRajoelina hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty, araka ny fanazavan’i Constant Raveloson tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 23 febroary teo.
Horaiketina an-tsoratra izany ary dia hampahafantarina an’izao tontolo izao ary nodradrainy teny an-kianja notsiahivina tamin’ny Malagasy. Ampahany izany, araka ny fanazavan’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny antoko MFM ity. Aminy dia mirarakompana ny fanosihosena ny sori-dalana. Eo anatrehan’ny andininy faha-15 amin’izany sori-dalana izany dia milaza fa manana adidy hifady ny fitanilanana, ny fitongilanana, indrindra eo anatrehan’ny fifidianana ny filohan’ny tetezamita. Miomana sy hampirisihina ny Taranak’i Galliéni Vaovao hanendry kandida kanefa dia ota fady izany, hoy ihany Constant Raveloson. Tsy mahazo manana kandida anefa ny filohan’ny tetezamita, raha tsy izany dia tokony hiala satria hampiady izany. Nilaza tamin’ny haino aman-jery ihany koa i Andry Rajoelina fa manana ny fahefana feno ny tenany. Izy no tompon’ny fahefana ka manana fikasana hangalatra amin’ny fifidianana izy ?
Fisolokiana fahefana izany, hoy i Constant Raveloson. Ankoatra izay, tany Dar Es Salam dia nilaza koa ny filohan’ny FAT fa raha tsy hirotsaka hofidiana ny filoha Marc Ravalomanana dia hatsahatra ny fanenjehana azy ara-pitsarana. Izany dia porofo, hoy i Constant Raveloson fa ampiasain-dRajoelina amin’ny fanenjehana politika ny fitsarana. Manginy fotsiny ny fanaratsiana sy fanamelohana nataony tamin’ireo ho kandida nilazany fa tsy misy tia tanindrazana izy ireo. Ny fampiasam-bolam-panjakana sy fahefam-panjakana hanohanana ny kandidany toy ny fitokanana etsy sy eroa, ny fampiasana ny haino aman-jerim-panjakana ho amin’ny tombontsoany tsy lazaina intsony. Ampahany ihany ireo fa dia hapetraka eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia nasian’i Constant Raveloson resaka ihany koa ny momba ireo miaramila frantsay eto amintsika. Mitombo isa ny miaramila frantsay eto. Mila fanazavana izany ka tsy mila an’i Goldblatt mangina. Tandremo, samia mailo. Efa mipetraka eto ny miaramila frantsay ka samia mieritreritra, hoy ihany i Constant Raveloson nanindry mafy ny amin’ny tokony handrasain’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy manoloana ny tolona. Ireo ao anatin’ny tafika ho an’ny faritra Atsimon’ny ranomasimbe Indiana na FAZOI ireo, raha ny fanazavana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.