Politique

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

 

Momba ny fiainam-politika dia nilaza izy fa samy hafa amin`ny any ivelany ny eto Madagasikara. Tsy misy izany an-kavanana, an-kavia na afovoany eo amin`ireo hery politika saingy tsy voatery mpanohana na mpanohitra anefa. Tao anatin`ny 10 volana nitondran`ny filoha Rajoelina dia tsy ny ain-dehiben`ny Malagasy no nimasoana. Lafim-piainana maro no hita ao anatin`izay ain-dehibe izay ka rehefa vita no mandravina ireny dia hita ny fampandrosoana. Hatramin`izao ireo mibahan-tsehatra ireo dia tsy mbola miady hevitra amin`ny fampandrosoana. Ireo mahazo fahefana eto amintsika dia tsy mahalala izay mahakaiky azy hatrany ka manjaka ny kiatranoantrano na dia tsy manana mari-pahaizana tandrify azy. Hany ka mampanjaka ny kolikoly sy tsimatimanota. Nohamafisiny fa mila manova toe-tsaina toa an`ireo firenena hafa isika ka izany indrindra no tokony halain-tahaka. Hatreto dia ny mampisondrotra ny tandapa, ireo tompomenakely isaky ny faritra… no misongadina. Ny mampisondrotra an`ireo anefa no mampietry ny besinimaro, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT