Politique

Constant Raveloson “Avereno pasohana ny daomy !”


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Mbola miteraka adihevitra betsaka eo amin’ireo mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana ny nidiran’ity firehana ity ao anatin’ny rafitra parlemanta.

 Novakian’i Constant Raveloson bantsilana moa izany ny sabotsy teo. Nambarany fa tokony hijoro ka hifanao tenierana amin’ireo mpiara-mitolona etsy amin’ny MAGRO sy manerana ny nosy ireo olom-boatendry rehetra ireo, na eo anivon’ny governemanta, na ny CT na koa ny CST. Mety tsy ampy izay tenierana an-karihary izay ka izany no mahatonga ny resabe sy ny figonongononana etsy sy eroa. Araka ny fanazavan’ity mpitari-tolona avy amin’ny MFM dia fanontaniana tsy maintsy ahitana valiny ny hahatonga ny sori-dalana ho lalàna. Eo koa ny fodian’ny filoha Ravalomanana ho herim-panjakana, tsy azo hihodivirana, sy ny hahatafavoahan’ireo gadra politika tsy misy raorao. Mila didy mazava ihany koa, hoy izy ny fanalalahana ireo haino aman-jerim-panjakana sy ireo haino aman-jery nakatona

. Nohazavainy ihany koa fa samy manana ny fomba nentiny hitarihana ny tolona ireo ankolafy tsirairay saingy ny tanjona dia ireo efa napetraka ireo. Roa ihany ny mpampiasa ahy, hoy Raveloson Constant dia ianareo vahoaka izay niharitra ny mafy sy ny filoha Ravalomanana. “Raha hiteny ny filohan’ny Repoblika hoe mialà dia hiala aho izao dieny izao !”. Fihetsika goavana roa ihany koa no takiana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny CT sy CST, aisan’izany ny tsy fanekena ny fisolokiana toerana ataon-dRajoelina. Tsy tokony hahazo hihoatra ny isan’ny mpanohitra ny isan’ny mpomba azy. “Tsy mpanjaka na tompon’i Madagasikara i Andry Rajoelina ka hanana tombondahiny manokana amin’ny fanendrena olona”, hoy ihany i Constant Raveloson. Manoloana izany indrindra dia “avereno pasohana ny daomy fa tsy fananana manokan’i Andry Rajoelina i Madagasikara !”, hoy ihany izy.

Tsy ireo mpikambana eo anivon’ny CT sy CST ihany no mila fanovana fa eo koa ny governemanta satria saika mbola mialokaloka ao avokoa na ireo mpangalatra, na ireo mpanao raharaham-pianakaviana kanefa efa hita fa telo taona tsy nahombiazana. Ny fihaonan’ireo mpitarika efatra ihany no hahavitana io fipasohana ny daomy io, izany hoe fanamboarana ireo andrim-panjakana rehetra. Rehefa tsy vonona amin’izany i Andry Rajoelina dia tokony handefa solontena. Ankoatra izay dia takiana amin’ireo olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny hanaovany tatitra amin’ny vahoaka eny an-kianja mandrakariva mba hisian’ny mangarahara, hoy ihany i Constant Raveloson izay nanamarika fa adidin’ny vahoaka ny mijery ny famindran’ny tsirairay manomboka eto.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT