Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly alakamisy25 janoary 2018 ny filohan’ny KMMR (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana) Atoa Raveloson Constant. Anisan’ny noresahany ny momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara.
Momba ny lanonana fisandratana mirindra teny Iavoloha notanterahana omaly dia nilaza izy fa ny olona any amin’ny 100 andro manomboka hitondrany no manambara ny fisandratana fa ny an’ny mpitondra HVM aty amin’ny zato andro farany. Akoho tsy naneno ohatr’izay ve tsy efa lanin’ny kary ? Amiko dia tsy misy afa-tsy fifidianana madio, mazava, malalaka no atao eto, hoy izy. Manipy teny ihany aho amin’ny maha mpitantana ny KMMR ahy, hoy izy hoe efa hita teo amin’ny tantaran’ny firenentsika, tany amin’ny faritra atsimo manontolo iny ny zava-nitranga tamin’ny 1972. Nisy ireo mpiasam-panjakana sy olom-boatendry mila sitraka sy mila “19” any ambony. Mampiseho ny fomba fankahalana rehetra ireny fandroahana an’i Marc Ravalomanana tany Tolagnaro sy Amboasary atsimo ireny, hoy izy ary ny mampalahelo dia nampiasaina ny miaramila hanao izany. Sary ratsy tahaka izay niainantsika tany amin’ny taona 71 tany no nisy. Izay maneho hevitra sy mitsangana hafa noho ny tompon’ny any an-dapa ve izany dia ilana sotasota sy hetraketraka. Ireo ki-fonksionera sy ki-olomboatendry any an-toerana no mampiasa ny mpitandro ny filaminana hanao zavatra hafahafa, tahaka izany koa ny tany amin’ny taona 71, ilay tompon’andraikitra sy olomboatendry no mila sitraka amin’ny lehibeny ary te hampiseho hoe izahay no mafy be ary tsy avelanay hisy olombelona hafa manakiana izany eto. Tsy mety ary tsy fanao mihitsy ireny, hoy izy ary tena manalabaraka sy mahavery hasina tsotra izao ny foloalindahy. Tsy tokony haverina eto intsony ny korontana toy ny tamin’ny 1972, hoy ny filohan’ny KMMR fa fifidianana madio sy malalaka no andrandraina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.