Politique

Constant Raveloson “Alaivo aloha ny hevitr’ireo filoha teo aloha…”


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Firaisankina izao no ilaina, hoy ny filohan'ny Repoblilka. Tsapany izany fa tsy fananany irery akory i Madagasikara, hoy Atoa Constant Raveloson.

 

 

 

 Ny firaisankinam-pirenena tsy vitan'ny baiko na didy midina. Tsy vitan'ny horakoraka ohatra ny fitiavam-baolina.  Tsy vitan'ny teny ventesina anasana atidoha (matraquage). Ny firaisan-kina mikoa sy rava raha misy ny Malagasy mahatsiaro miaina ny tsy rariny na miaritra tsy fahaiza-mitondra, indrindra moa raha hararaotina anindraindrana tsangan'olona mpitondra na hafa (culte de la personnalité) ny fitiavan-tanindrazana, hoy izy. Nambarany fa fihetsika tia tanindrazana hanamora firaisankinam-pirenena raha maka hevitra amim-pahatsorana amin'ireto olona ireto ny Prezidàn'ny Repoblika, dia ireo Prezidà nofidiam-bahoaka (D. Ratsiraka, M. Ravalomanana, H. Rajaonarimampianina) sy ny mpitarika ny Mpanohitra ara-dalàna (izay tsy tokony ho niandry fa nanatona ny Mpitondra). Malagasy ana hetsiny, na an-tapitrisany aza, ary taranaka maro nifandimby no nifidy azy ireo ho Raiamandreny nanankinana ny Firenena. Afaka maneho fihetsika tia tanindrazana ny Prezidà am-perinasa, na iaraha-mahalàla aza ny tantaran'Atoa Rajoelina sy i Frantsa, hoy hatrany izy. Mitombina ny firaisankinam-pirenena raha olona voafantina, mahatoky, nadio tamin'ny fotoana nisomparan'ny Frantsay teto amin'ny Firenena, no iraka anankinana fifampiraharahana. Manimba ny firaisankina ny teny hafahafa momba ny iraka. Maivana eo anatrehan'ny Frantsay ny iraka iray, ary ho fotsy rora miteny amin'izy samy iraka koa, raha ny mpaniraka no milaza hoe "Tsy mitovy hevitra politika amiko Ranona kanefa notendreko ihany". Adidin'ny Prezidà Rajoelina ny manambara "ôfisialy" ny fitokisana ny iraka. Adidiny koa ny manambara mazava ny iraka ampanaovina (mission): fandraisantsika tompony sa fiaraha-mitantana ny Nosy satria lela mantsy no nataon’ny filoha hoe: famerenana amin'ny tompony na fiaraha-mitantana ("restitution ou cogestion"), ka na ny iraka aza angamba fanina, hoy Atoa Constant Raveloson.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT