“Mifameno tsara ireo foto-kevitra telon’ny Tia Tanindrazana”
“Teboka telo ny tarigetra heverin’ny antoko TIA Tanindrazana
mampandroso ny firenena dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary ny teknolojia. Izany no ain-dehibe heveriny ho zava-dehibe raha izy no eo amin’ny fitondrana”, hoy i Constant Raveloson, mpanao politika. Zava-dehibe tokoa ireo satria mifameno. Teboka lehibe voalohany ny fanabeazana toy ny fanofanana arak`asa. Noraisiny ohatra ny niainana tamin`ny orinasa Sheritt. Voatery niantso filipianina 1 500 isika kanefa resaka “soudure” no atao izay tena nahamenatra. Teboka lehibe faharoa ny fitsinjaram-pahefana. Mifanontany ny olom-pirenena manoloana ny fanendrena governora raha mifanaraka amin`ny lalàmpanorenana na tsia. Inona no zava-dehibe tamin`iny fanapahana iny ? Hitsinjara fahefana sa hametrapetraka tompomenakely ? Misy goverora misahana ny faritra maromao. Izy ity ve ilay mpangorona fahefana amin’ny tampony any ka mba tsinjaraina amin`ny tompomenakely ? Ireo dia hampiomanina amin’ny fifidianana manaraka eo. Fotoana izao ilana fitsinjaram-pahefana. Ny fitsinjaram-pahefana dia fandraisana fahefana any ifotony no tena hamaritana azy, hoy izy. Raha ny fomba hitondrany azy io dia fitsanjarana tompomenakely. Dia ho avy ihany ny fanampiana tsy ampoizina “subvention exceptionelle”. “Izany ve ho fitsinjaram-pahefana”, hoy hatrany ny fanamarihany. Mahakasika ny teknolojia kosa dia izay tsy handroso dia hihemotra amin`io. Ny rahararaham-panjakana dia tsy maintsy atao hahomby amin`izay hahazava azy mba hampangarahara ny asam-panjakana na “controle citoyen”. Notsipihany manokana fa ny olom-pirenena tsirairay dia tokony hojerena izay fomba hahatonga ho tena andrimaso sy hanabe olom-pirenena. Tsy tokony hiandry eny amin`ny BIANCO akory. 10 taona ny antoko Tia Tanindrazana ka afaka manamasaka ireo tarigetra ireo. Notsindrin-dRaveloson Constant ihany koa fa amin`izao fifidianana izao dia tsara ampianarina miady amin`ny hosoka ireo kandidà ben`ny tanàna sy mpanolotsaina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.