1300 andro izay no lasa, nitoloman’ireo mpandala ny ara-dalŕna nanoherany ny mpanongam-panjakana.
Hatreto, hoy Raveloson Constant dia tsy mbola maty ny voalavo an-kibo ka mila vonoina tanteraka izany. Noho izany dia nampiomana ireo mpiara-mitolona aminy ity mpitarika eo anivon’ny Mafana fa mbola mila 1300 andro fanampiny hametrahana fitondrana tena izy, hanjakan’ny fahamarinana. Ny mpanongam-panjakana, raran’izao tontolo izao fa tsy mahazo milatsaka amina fifidianana indray, hoy Raveloson Constant no mametraka ny fepetrany. Manoloana izany dia nanentana ireo mpiara-dia ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity : «Mafisa, miomana fa tsy mandeha ho azy ny dingana manaraka.
Jereo ny paika hoe tadiavina aorian’ny fifidianana vao haverina ny filoha», hoy izy. Izany rehetra izany no voalavo mila vonoina, hoy ihany izy. «Ahoana ny fomba hahatonga ny mpiray firenena rehetra tsy hanaiky ny paika tadiavin-dRajoelina, eo koa ny tsy maintsy hanatanterahana ny tombana hataon’ny SADC ato anatin’ny fe-potoana voalaza ?», hoy ihany ity mpitari-tolona ity. Raha tena foloalindahy marina dia aleo hiverina eto Ravalomanana, mety hikorontana ny AV7, saingy jerena izay fomba hifehezana azy. Raha hisy hanao fitondra-miaramila dia midika izany fa hitolo-batana ka hiseho hoe indreto izahay mpanongam-panjakana, hoy ihany izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.