Mandalo fandinihana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) raha mifanaraka na tsia amin’ny lalàmpanorenana ny fitsipika anatin’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM).
Tsy voafetra ny fotoana handinihan’ny HCC azy io fa miandry izay higadonany ry zareo etsy Ampefiloha. Miankina amin’io no hirosoana na tsia amin’ny fifidianana ny Birao maharitry ny CFM. Mandra-piandry izay dia ny zokiolona sy zandriolona amin’izy 33 mpikambana mandrafitra ity Andrimpanjakana ity no mitarika ny fivoriana. Tamin’ny alatsinainy 25 septambra teo no nandaniana tamin’ny fivoriambe io Fitsipika anatin’ny CFM. Amin’ny alarobia ho avy io indray izy ireo no hiatrika fivoriana manaraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.