Hifamotoana etsy Ampandrana anio ny fivondronan’ireo sendika lehibe eto Madagasikara.
Ny mikasika ny finiavan’ny Fanjakana hampitarazoka ny olana sosialy sy ny fihenjanan’ny tady eo amin’ny sendika sy ny governemanta no horesahana araka ny tafa fohy tamin’ny iray amin’ireo mpitarika sendika ao anatin’ity vondrona ity.
Hiakatra indray izany ny maripana eo amin’ny fitakiana sendikaly. Ny fanjakana etsy an-kilany tsy mahita vahaolana fa manao safobemantsina ho mpanakorontana ireo izay manao fitakiana, ka mandrangaranga sazy hatrany. Dia io marisarisa io ny fiarahamonina, zara fa mihodina ny raharaham-panjakana, misedra olana ny mpandraharaha, potika ny toekarena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.