Politique

CNOSC Mila itarina ny fifampidinihana


  • Talata 12 Jona 2012

Manohana ny fisian’ny fihaonana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ny CNOSC na fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena raha araka ny nambaran-dRamatoa Lalao Randriamampionona, omaly.

 Nomarihany anefa fa tsara kokoa io fihaonana io raha itarina kely, izany hoe ampidirina ao koa ireo filoha mirahalahy teo aloha dia Didier Ratsiraka sy Zafy Albert. Aorian’izay, araka ny fanazavany ihany dia ampidirina ao anatin’io fihaonambe io ihany koa ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena, tahaka ny vondrona politika fiarahamonim-pirenena, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, eny fa hatramin’ny foloalindahy sy ny antokom-pivavahana maro samihafa aza. Efa nanambara ny tokony hanatanterahana izany fihaonambe izany ny Sadc, tamin’ny fandalovan’izy ireo farany teto Madagasikara, hoy ihany Rtoa Lalao Randriamampionona, mila eken’ny rehetra ihany koa izay fifanarahana atao sonia eo. Ny olana mantsy hatramin’izay, hoy izy dia voarafitra ny fehin-kevitra, atao ny sonia.

Tsy tanteraka hatramin’ny farany foana anefa izay rehetra voasoratra satria na misy ny tsy manaiky, na misy ny mitsivalana tsotra izao. Ary ireo izay tsy nanasonia moa tonga dia manohitra avy hatrany ny hevitra tapaka rehetra, dia mikatso ny famahana ny krizy. Noho izany dia manainga ny rehetra ny CNOSC mba handinika ny fanatanterahana io fihaonana io, avela hihaona aloha ireo fototry ny olana dia atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, tsy maintsy hisy ny fifanazavana sy fifanarahana amin’ny roa tonta , avy eo entina hodinihan’ny besinimaro izany dia jerena izay ifanarahan’ny rehetra. Tsy hoe foanana ny tondrozotra, fa fikarohana ny fomba hanatanterahana azy tsy misy raorao na kakay no tsy maintsy karohana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT