Politique

CNOSC Any amin’ny tapaky ny volana septambra ny dinika faharoa


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Taorian’ny dinika teny Vontovorona, nampihaonan’ny fiarahamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny Cnosc ireo ankolafy politika teto amintsika dia fantatra fa any amin’ny tapatapaky ny volana septambra any ho any indray ny fihaonana faharoa.

Araka ny vaovao dia fikambanana politika 70 no handray anjara amin’io fihaonana io. Efa am-bolana maro no nanomanan’ny Cnosc ity fihaonana ity, hoy Rtoa Lalao Andriamampionona. Napetraka tamin’izany ny vondrona hanamora ny dinika na ilay antsoina hoe “groupe de facilitation” izay efa nandinika ireo teboka iraisana sy ireo mbola hiadian-kevitra. Araka ny fanazavana ihany dia efa tsy latsaky ny in-4 no nihaona ireo “groupes de facilitation”. Maniry ny handraisan’ireo raiamandreny rehetra eto amin’ny firenena toy ny FFKM anjara amin’ity fihaonana ity ny Cnosc. Tsy nandray anjara tamin’ny dinika nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana teny Ivato moa ny Cnosc noho ny fahatsapan’izy ireo fa petatoko ny zavatra natao teny.
Nangonin’i Soa


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT