Efa herinandro mahery izay no nivoahan’ny didim-pitondrana nanafoana ny fanendrena ny tompon’andraikitra voalohany mitantana ny
«Centre National d’Enseignement de Musique et de Danse». Mihantona daholo noho izany ireo mety fanapahan-kevitra tokony horaisina mikasika ity sekolim-pirenena fampianarana mozika sy dihy ity eo am-piandrasana ny fanendrena izay ho mpitantana vaovao. Efa nifarana tanteraka moa ankehitriny ny taom-pianarana 2013-2014 ho an’ireo mpianatra 700 manerana ny nosy ka kaonseritra nokarakarain’ireo mpampianatra nampisehoana ny fahaizan’ireo mpianatra no nanamarihana izany isaky ny masoivoho misy ny ivontoerana toy ny any Mahajanga sy Antsirabe. Am-periny kosa ny eto Antananarivo izay hotanterahana ao amin’ny Cmdelac Analakely ny sabotsy ho avy izao. Tanjon’ny hetsika ny fanomanana ireo mpianatra milalao mozika miatrika mpijery. Efa misokatra kosa ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana mandritra ny fialantsasatra izay hanomboka amin’ny herinandro voalohan’ny volana jolay 2014. Fantatra moa fa tena mahasarika kokoa ny mpianatra ny mandalina ny vatamarofitsoka sy ny gitara, araka ny fanazavana azo tao amin’ny Cnemd.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.