Politique

CLRE Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina Misy lehiben’ny fokontany tsy mety mandray azy ireo


  • Talata 23 Janoary 2018

Nihaino ny tatitra nataon’ireo CLRE na ny « Comité Locale pour le Recensement des Electeurs » tetsy Antaninandro ny faran’ny herinandro teo ny mpanolotsaina manokan’ny filoha lefitry ny TIM Faritanin’Antananarivo Ramalason Olga,

Atoa Ranaivorazo Raobelina Feno sy ireo mpikambana TIM mpiara-miasa aminy. Ireto CLRE ireto no fantatra fa manara-maso ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany tsirairay misy azy avy ka manan-jo tanteraka hikirakira azy io koa sy ny carnet fandraisana an’ireo fitarainana rehetra azo tamin’ny fijerena ifotony an’izany lisi-pifidianana izany. Anisan’ny nisongadina tamin’izany tatitra nataon’ireto CLRE izany ny nahitan’izy ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna maromaro nataon’ireo sefom-pokontany maromaro ihany koa ary nisy mihitsy aza lehiben’ny fokontany tsy mety mandray an’ireto CLRE ireto. Noraisina an-tsoratra avokoa ireo tatitra rehetra voaray tamin’ity fihaonana ity ka nalefa hodinihan’ny rafitra TIM any ambony.

Nambaran-dRaobelina Feno tao anatin’ity dinika ity koa fa efa voatendry ny CED Antananarivo miisa 2 solontenan’ny antoko TIM ao amin’ity  distrika ity hanara-maso ny famaranana na “arrêtage” ny lisi-pifidianana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT