Politique

Clément Ravalisaona Tsy mety ny hisamborana an-dRavalomanana


  • Talata 24 Janoary 2012

Araka ny fanambaran’ny filohany Clément Zafisolo Ravalisaona, dia tsy manana olana firy amin’ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara ny antoko miombon’ezaka (AME) ary mahita mihitsy aza fa tsy mety ny eritreritry ny manampahefana ny amin’ny hisamborana ity filoha teo aloha ity.

 Nanazava ny heviny ary Atoa Clément Zafisolo Ravalisaona ary nampatsiahy fa nisy mpitondra sy mpanao politika teo aloha, voatsara sy namoahana didim-pitsarana, ihany koa kanefa amin’izao fotoana dia afaka niditra an-kalalahana teto Madagasikara. Nisy aza ireo nahazo toerana. Tsy mba nanontaniana, na nanaovana fanadihadiana na nalaina am-bavany na dia iray minitra akory aza izy ireo, fa dia niditra an-kalalahana teto ary afaka nanao politika tsara.

Tsy nanonona anarana moa izy saingy efa takatry ny maro fa tafiditra ao anatin’ireo olona notanisainy ireo Atoa isany Didier Ratsiraka, Tantely Andrianarivo ary Pierrot Rajaonarivelo, sy ny hafa, izay samy voaheloky ny fitsarana nandritra ny fitondrana Ravalomanana, kanefa dia tafiditra an-kalalahana teto Madagasikara tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina. Ary Atoa Pierrot Rajaonarivelo aza dia voatendry ho minisitry ny raharaham-bahiny mihitsy amin’izao fotoana rehefa avy praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria. Tsy mety ny fisian’ny mizàna tsindrian’ila tahaka izany, hoy Atoa Clément Zafisolo Ravalisaona fa tokony hampitoviana daholo ireo rehetra namoahana didim-pitsarana, ka na samy ampiharina izany, na samy miantona na foanana mihitsy aza aloha.

Ao anatin’ny fametrahana ny fitoniana isika amin’izao fotoana, hoy izy ka noho izany tsy maintsy misy ny ezaka ataon’ny tsirairay, tsy maintsy misy ny fifandeferana ary ialana avokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra mety hiteraka lonilony sy fifandirana vaovao, hafa indray. Efa hita ho niroso isika tamin’ny fananendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, sy ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, ary ny fidiran’ny ankolafy Ravalomanana ao anatin’ny parlemanta, ka tsy tokony hosimbana ilay ezaka fa tohizana, hoy ihany izy, ary fanohizana izany ny fampiharana tsy misy adihevitra ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra momba ny fodian’i Marc Ravalomanana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT