Politique

Claudine Razaimamonjy Tsy navoaka izany izy, hoy ny lehiben’ny fonja


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Mbola tazonina ato amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Claudine Razaimamonjy fa tsy navoaka velively, ka diso tanteraka ny filazana fa efa navotsotra izy.

Io no nambaran’ny Lehiben’ny fonja any Manjakandriana Raharilalamampionona Hantanirina rehefa nanontaniana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny vaovao mikasika ity ramatoa voarohirohy tamin’ny raharaha kolikoly goavana ity. Nisy mantsy ny resaka nivoaka fa tsy ao am-ponja intsony izy. Nanomboka ny 15 jona ka hatramin’izao, dia tao am-ponja foana izy, fa ny 20 jolay nitondrana azy teny amin’ny fitsarana manokana misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly no nivoahan’i Claudine Razaimamonjy tao, araka ny fanazavany. Fivoahana ara-dalàna noho ny fanaovana fanadihadiana azy taty an-drenivohitra no nivoahany tao, ka ny 28 septambra teo dia nisy fotoana nampiakarana azy taty an-drenivohitra noho ny fanadihadiana natao taminy hatrany. Nandritra io fotoana io no nanaovany fangatahana fahafahana vonjimaika, saingy nolavina izany, ka naverina any am-ponja indray ny tenany. Azon’ny mpanao gazety sy ny mpikaroka vaovao atao tsara ny mangataka alalana sy manao fanadihadiana any amin’ny fonjan’i Manjakandriana, raha ny fanazavan’ny Lehiben’ny fonja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT