Politique

Claudine Razaimamonjy Mbola olon’ny HVM, hoy i Rivo Rakotovao


  • Talata 31 Oktobra 2017

Nanamafy tao amin’ny radio nasionaly (RNM) ny alahady alina teo i Rivo Rakotovao fa mbola olon’ny HVM ary mpikambana feno ao i Claudine Razaimamonjy izay migadra any amin’ny fonjan’i Manjakandriana noho ny raharaha kolikoly avo lenta.

 

Tany tan-dalàna ny eto Madagasikara ary voaporofo fa na akaikin’nyfiloham-pirenena aza dia tsy afa-bela amin’ny fanadihadiana tsy maintsy atao.Raharaham-pitsarana io ka aleo handeha fa tsy misy idiran’ny resaka politika.Hatramin’ny omaly anefa dia tsy misy daty mazava hanombohana ny fitsarana ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Fitanana am-ponja vonjimaika no atrehany eny Manjakandriana.Efa mazava anefa ny antontan-taratasy fa ahiahina ny fanaovana kolikoly avo lenta ho an’ity mpandraharaha mpanefoefo araka ny Bianco. Misy ny zavatra mitombina matoa namoaka didy mampiditra azyam-ponja vonjimaika ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly.Maro ny sangodim-panina tao anatin’ity raharaha ity, nanomboka tamin’ny fakana am-bavany an-dRamatoa Claudine teny amin’ny Bianco Ambohibao sy teny amin’ny « Chaîne pénale anti-corruption » teny 67Ha. Nandalo tao amin’ny fampidirana azy tao amin’ny vonjy aina Hjra ny nahafahany nivoaka tampoka an’iMadagasikara fa hitsabo tena any ivelany.Misy anarana manampahefana ambony voatonona fa nanohana azy tao anatin’ireny tranga rehetra ireny.Ny fanadihadiana sy ny fitsarana ihany no hamoaka ny marina.Vava be no nataon’ity Ramatoa ity tamin’ny olon’nyBianco niantso an-telefaonina azy ka nilazany fa  « izahay aloha izao no eto amin’ny fitondrana ka mangataka audience any amin’ny filoham-pirenena raha te hiresaka amiko… ».Mipetraka ny fanontaniana ary taorian’ity fanambaran-dRivo Rakotovao ity :hoe  sao dia sinema marina no betsaka fa arovan’olona matanjaka eto amin’ny firenena i Claudine ?Fandraikiraikena sy fanodinkodinana saim-bahoaka fotsiny no natao dia mody nosamborina sy nampidirina am-ponja vonjimaika aloha mba hanaporofoana fa tsy mivazivazy amin’ny fandikan-dalàna ny fitondram-panjakana fa na namany aza dia darofany rehefa manao ny tsy mety. Raha tena mandeha ny fitsarana dia tsy maintsy hiteny i Claudine Razaimamonjy fa hisy anaran’olona maromaro. Mety mpandraharaha, mpanao politika, manampahefana ho voatonontonona ao.Izay no mety hampanginana ny raharaha sy tsy hanarian’ny HVM azy aloha hatreto.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT