Tsy manao vazaha mody miady intsony fa efa misy ny lonilony eo amin’ny samy HVM, ary toa nailika sy tsy raharahiana intsony i Claudine Razaimamonjy sy ny ekipany.
Re fa ny vadin’ny filoham-pirenena mihitsy no malaza ho tsy mifankahazo aminy sy ny tandapa vitsivitsy izay efa nisy nailika. Mandeha ny feo fa miketrika mafy sy mitady kandida hotohanana i Claudine Razaimamonjy sy ny ekipany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary vonona hifampitana amin’ny HVM. Raha ny siosion-dresaka, volabe hatrany amin’ny 10 tapitrisa dolara na 30 000 000 000 miliara ariary eo ho eo no hatosany amin’izany. Voalaza ho mandrisika ireo mpanao politika lehibe avy amin’ny tapany Atsimon’ny nosy na “Grand Sud” iny ny tenany, ary mivoaka ny siosion-dresaka, fa fanomanana izany ny fihaonana nataon’ny Fikambanan’ny Zanaky Betsileo ny 3 febroary lasa teo teny amin’ny Hotely A&C Ivato. Toa manamarina ny disadisa sy ny tsy fifankahazoana intsony ny tsy nanatrehan’ny mpikamban’ny governemanta io lanonana io, eny fa na ireo minisitra avy amin’ny faritra Fianarantsoa toa an-dry Jean Anicet Andriamosarisoa, Rasoazananera Marie Monique, Toto Marie Lydia,… aza. Hatramin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, izay fatra-piaro an’i Claudine Razaiamonjy no re fa na nahazo fanasana aza, dia nilaza ny tsy handeha no nanao farateny. Voalaza ho anisan’ny namana akaikin’i Claudine Razaimamonjy tao an-dapa ny tale kabinetran’ny filoha teo aloha Herisoa Razafindrakoto, izay nosoloina sy efa karazan’ny nailika. Eo ihany koa ny mpanolotsainy teo aloha Nicole Randrianarison, izay efa nesorina. Mety hifanjevo aloha izany ny samy HVM, ary hifampidera taim-by mihitsy amin’ny resa-bola. Tamin’ny 2013, dia hatrany amin’ny 12 tapitrisa Euros na 42 000 000 000 Ar mahery eo ny vola voalaza fa nampiasain-dRajaonarimampianina, saingy azo antoka fa betsaka kokoa noho io no hampiasainy amin’ny fifidianana manaraka eo.
Tsara ny mampahatsiahy fa nanohana na arak’olona na ara-bola an-dRajaonarimampianina i Claudine Razaimamonjy tamin’ny 2013. Tany amin’ny faritanin’i Fianarantsoa no nahazoan-dRajaonarimampianina vato be indrindra, ka vao mainka ratsy ho an’ny filoha ny fisarahana aminy, raha tena misy tokoa ny lonilony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.