Politique

Claudine Razaimamonjy Izay vao tena taraiky


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Efa tena iatahan’ny HVM i Claudine Razaimamonjy raha dinihina amin’ny zava-niseho tato ho ato, ka anisan’ireo voatonona ho tsy mankasitraka ny fiarovana azy intsony i Voahangy Rajaonarimampianina vadin’ny filoha.

Na ireo olona voalaza ho tena naman’i Claudine tao an-dapa aza efa somary nakisaka sy nailika. Nesorina tamin’ny toerana maha tale kabinetran’ny filoha azy i Herisoa Razafindrakoto, ka nomena an’i Eric Randrasana ny toerany. Nalana tsy ho mpanolotsain’ny filoha i Nicole Randrianarisoa. Mivoaka ny resaka fa matahotra mafy ny vadin’ny filoha ireo mpikamban’ny governemanta, ary miezaka ny mampiseho fa tsy manana rohy sy fifandraisana amin’i Claudine sy ny momba azy rehetra intsony. Tsy nisy sahy nipoitra teny amin’ny hotely A&C nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny Fikambanan’ny Betsileo ny 3 febroary lasa teo noho ny tahotra ny ho very seza. Nahavita namoron-javatra novonjena tany amin’ny faritra, anisan’izany ireo nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona tany Mahajanga. Na ireo minisitra avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny manodidina toa an-dRasoazananera Marie Monique, Toto Marie Lydia, Jean Anicet Andriamosarisoa aza tsy nisy sahy nipoitra teny an-toerana. Ny loholona Riana Andriamandavy VII no hany hita teny, saingy re fa efa misabaka sy mitady lalan-kivoahana raha toa ka ho rendrika ny HVM, toy izay efa nataony tamin’ny TIM fahiny, niaraka tamin’ny tetezamita, ary izao HVM,... Voalaza ho nahazo fanasana tamin’io fihaonana io ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, saingy tsotra ny azy, raha ny vaovao azo hoe : izaho tsy handeha, fa asakasak’izay ho any. Ity filoha nasionalin’ny HVM ity anefa, raha tsaroan’ny maro tsara no namoaka vava voalohany andro vitsy taorian’ny nisamborana an’i Claudine sy ireny resaka fitsaboan-tena ireny, raha nanao fihaonambem-paritra tany Toamasina ny 9 aprily 2017 hoe: “havantsika, namantsika,… izy koa mahaiza isika miray hina”. Nambara fa niara-nanorina ny antoko HVM rahateo i Claudine, ka tsy azo ariana. Raha ny loharanom-baovao azo, dia ny Loholona Razafimandroso Virginie, avy any Moramanga ihany no tena nitsidika azy, ankoatra ireo zanany, fa na ireo tena akaiky azy tao amin’ny HVM aza toa tsy nisy nanao izany. Ny zava-misy ankehitriny, dia maneho ny efa fanilihana sy tsy firaharahian’ny HVM azy. Handeha an-kalalahana amin’izay ve ny fitsarana, ka halentika tanteraka i Claudine Razaimamonjy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT