Nivoaka tamin’ny fahanginany Rtoa Razaimamonjy Claudine tompon’ny hotely lehibe fandraisam-bahiny A&C Palace etsy Ivato, taorian’ny raharaha nahoraka an-gazety mahavoarohirohy azy teny amin’ny Bianco.
“Be ny tetika entina hampisavoritahana ny mpiara-belona, indrindra fa ny filazana fa ny fihetsika izay ataoko. Eto aho, ary tsy niala nandositra teto araka ny feo iniana aparitaka amin’izao fotoana izao”, hoy ity mpandraharaha nanana andraikitra goavana tamin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny Frankofonia farany teo iny, indrindra teo amin’ny fampiantranoana ireo delegasiona vahiny mpizaika. Nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly, no nilazany fa betsaka no nanakana ny tsy hahavitan’iny fihaonambe iny saingy nivoaka ho mpandresy ny Malagasy, ary mendrika isika. Nanao fanamarihana ihany koa Rtoa Razaimamonjy Claudine fa “Izay miara-miasa amin’ny fitondrana ankehitriny, dia inian’ny sasany lotoina eo anatrehan’ny fiarahamonina. Raha nisy olona noharatsian’ny mpanakorontana voalohany teto, dia mety ho faharoa ny tenako”, saingy “tsy nampihemotra amin’ny asa izay nataonay izany, ary ireny niaraha-nahita ireny ny vokatra, dia ny fandraisana ny Frankofonia izany”, hoy izy. “Mitohy ny asa fandraharahana ataoko ary miezaka hatrany manampy ny mpiara-belona amin’ny asa sosialy izay ataoko”, hoy hatrany Rtoa Claudine. Tsiahivina fa Ben’ny tanàna roa miampy tale iray ao amin’ny minisiteran’ny Atitany no voasaringotra niaraka tamin’ity mpandraharaha ity tamina raharaha fanodinkodinam-bola maherin’ny 390 tapitrisa Ariary, miharo fanararaotam-pahefana sy hosoka ary famotsiam-bola tamina Kaominina any amin’ny Distrikan’Ambalavao. Nahazo fahafahana vonjimaika ireo Ben’ny tanàna sy tale voarohirohy tao anatin’io raharaha io, rehefa tonga teny amin’ny Chaine Pénale Anti-Corruption ny raharaha ny alarobia teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.