Politique

Christian Razanabahiny VITM Tsy tokony handray karama ny CT sy CST


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Be loatra ny isan’ireo mpikambana ao amin’ireo andrim-panjakana roa CT sy CST.

 Raha tena fitiavan-tanindrazana marina no nampisisika azy ireo ho ao, dia tokony tsy hifandrirotra amin’ny resaka karama izy ireo fa mba manaiky ny hiasa an-tsitrapo, ny tambin-karama amin’ny famonjena fivoriana ihany no omena azy ireo. Safidiny manokana no nambaran’ity filoha lefitry ny antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky (VITM) ity ho antony tsy nidirany tamin’ireo rafitra roa ireo, noho ny mbola fanjavozavon’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Aminy, izay vahaolana maharitra aloha no tokony hojerena mba tsy hiverenana amin’ny krizy lavareny toy izao intsony. Araka izany dia tokony horaisina ny hetaheta sy ny hevitr’ireo vondrona maro samihafa toy ny an’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka amin’ny fanatanterahana ilay fihaonana an-tampony sy ny hevitr’ireo mpiasam-panjakana avy ao amin’ny “Grand Corps de l’Etat”, amin’ny fametrahana rafitra teknisianina. Azo hanampiana sy hanatsarana ny rafitra efa natomboka mantsy izany, araka ny heviny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT