Politique

CFM Diso hatrany amin’ny lalàna fananganana


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Samy miandry ny asa hotontosain’ny CFM (Conseil pour le Fampihavanana Malagasy) avokoa ny olom-pirenena Malagasy ankehitriny taorian’ny fanendrena ireo mpikambana 33 ao anatiny.

Kely finoana amin’ny ho vokatra andrasana amin’ity rafitra ity kosa ny dokotera Joseph Randriamiarisoa. Tsy mifanaraka amin’ny fomba namolavolan’ny ankolafy Zafy Albert mantsy ny fisehony amin’izao endriny izao, araka ny fanazavany. Tsy lavina ny fananan’ireo olona voatsonga fomba fijery ahafahana miroso amin’ny fampihavanam-pirenena saingy tsy nety hatrany am-boalohany ny fampijoroana azy, hoy ity mpanao politika mpiara-dia amin’ny profesora ity. Diso hatrany am-boalohany mihitsy ny lalàna fototra nananganana io Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy io. Fandaniam-potoana sy fanasarotan-javatra avokoa ny fisian’ireny komitin’ireo manampahaizana sy ny fitsongana ireny, araka ny fanamarihany. Olan’ny fiarahamonina Malagasy hatramin’izay rahateo ny vesatra eo amin’ny lafiny fanarahan-dalàna. Tsotra kokoa tsy nandaniam-bola be, ohatra, ny fikarohana olona iray eken’ny rehetra manana ny maha izy azy eto amin’ny tany sy ny fanjakana no mahalala sy mahafehy tsara ihany koa ny raharaham-pirenena, araka ny fanampim-panazavany.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT