Ifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao indray amin’ity herinandro ity ny fitsanganan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES, izay hisy mpikambana 19 ahitana mpitsara, solotenan’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra, solotenan’ny HCC, solotena avy eny amin’ny oniversite ary administratera sivily.
Raha ny fantatra dia ho vita ny alarobia na fara fahatarany ny alakamisy maraina ny fisafidianana ireo solotena isaky ny sehatra misy azy tsirairay avy, ka tokony hivoaka amin’ity herinandro ity ihany, mety ny alakamisy 08 aogositra hariva izany, ny anaran’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny CES vaovao. Raha raisina sy heverina ny fanambaran’ny GIC M dia hamoaka lisitry ny kandida ho filoham-pirenena indray ny CES, ka hisy ireo kandida ho voahilika, izany hoe : hihena fa tsy 41 intsony ny isan’ny kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hiadian-kevitra intsony fa sady fanapahan-kevitra araka ny lalàna, no koa fanapahan-kevitra politika no horaisin’ny CES satria soso-kevitra ara-politika ilay hoe : fanilihana kandida. Totoafo tato ho ato izay ny fanehoan-kevitra, famoahana fanambarana milaza fa tsy tokony hisy ny kandida hailika ary tokony avela hisafidy malalaka izay olona heverina fa mendrika hitantana ny fireneny ny Malagasy. Mafy dia mafy koa anefa ny tsindry avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka andrasana izay ho avoakan’ny CES, fa miankina tanteraka amin’io ny tohin’ny raharaha rehetra. Tsy misy fifidianana azo heverina fa ho tanteraka, raha toa ka mbola olana tsy voavaha ny momba ireo kandida mpifaninana ; ary raha ho tazonina ihany ilay tetiandro hoe : mahavita fifidianana amin’ity taona ity dia tokony ho fantatra ato anatin’ny herinandro ny lisitry ny kandida tena izy mba hahafahana manonta ara-potoana ny bileta tokana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.