CES Vaovao

> Voatendry ireo mpikambana, banga ny toeran’ny ankolafy Zafy


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013

Fantatra avokoa ankehitriny ireo mpikambana mandrafitra ny CES na ilay Fitsarana manokana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Mpikambana miisa 18 amin’ireo 19 ihany anefa no voatendry, satria dia tsy nanolotra izay ho solotenany ao ny ankolafy Zafy Albert, izay isan’ireo mpanao sonia ny tondrozotra.

Mpitsara ny 15 amin’ireo voatendry, mpisolovava ny iray, mpampiantra lalàna ny iray ary Administratera sivily ny iray. 3 amin’izy 18 ihany no vehivavy. Solontenan’ny HCC ny iray mpikambana amin’ireo mpikambana saingy misy mpikambana taloha tao amin’ny HCC, isan’ireo 109 voasazy noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ary efa mpiambana tao amin’ny CENI teo aloha ihany koa, isan’ireo mandrafitra ny CES amin’izao fotoana. Araka izany dia Rtoa Peliarimanana Augustine Elysée, Mpitsara, ny an’ny vondrona HPM ; Rtoa Ranampy Marie Gisèle, Mpitsara, ho an’ny UDR – C ; Atoa Befourouack William, Mpitsara, ny an’ny MDM ; Atoa Rajerison Arsène, Mpitsara, no solotenan’ny ankolafy Ravalomanana ; Atoa Ramangason Jean Marie, Mpitsara, no natolotry ny Arema ; Atoa Rasiviarison Félicien, Mpitsara, ho an’ny TGV ; Atoa Razafindrabe Josoa Jean Clément, Mpitsara, ny an’ny “Les AS” ; Atoa Randriantsoa Mong Wai – Tune Serge Lucky, Mpitsara, no solotenan’ny Monima ; Maître Anjararison Ken, Mpisolovava, ho an’ny Escopol ; Rtoa Rahelimanantsoa Rondro Lucette, Mpitsara, solotenan’ny fitsarana ara-bola ; ny Mpitsara isany Andriamampiandra Mamy Jaona sy Rabarisoa Andriniaina ary Rasolonandrasana Georges Merlin, no solontena voafidy tao amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana. Ny Mpitsara isany Imbiki Herilaza sy Rakotozafy François, Mpitsara, no avy amin’ny fitsarana ady heloka. Atoa Rakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné, Mpitsara, no solotenan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Atoa Raharinarivonirina Alisaona, mpampianatra mpikaroka, no avy eny amin’ny Anjerimanontolo ary Atoa Mahazaka Clermont Gervais no voafidin’ny Administratera sivily hisolotena azy ireo.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT