Amin’ity alatsinainy 12 aogositra ity no hanatanteraka ny fianihanana eny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy izy 18 mianadahy mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES, izay ahitana solotenan’ny mpitsara miisa 6, miampy iray avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana, iray avy isak’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra ankoatra ny ankolafy Zafy izay tsy nanolotra ny solontenany, solontena iray avy amin’ny Administratera sivily, ary mpampianatra lalàna iray avy amin’ny oniversite.
Midika izany fa afaka manomboka ny asa amin’izay izy ireo amin’ity alatsinainy ity ihany ka tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana indray ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’ireo kandida filoham-pirenena. Tsara ho marihana fa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha ny zoma 09 aogositra teo ilay volavolana didy hitsivolana manome alalana ny fisintonana an-tsitrapo ny fiatsahan-kofidiana na ny fanavaozana ny lisitry ny kandida ataon’ny CES. Voatondro ihany koa fa afaka manolotra olona hisolo azy ireo kandida niala an-daharana. Mbola handalo eny amin’ny HCC moa ity didy hitsivolana ity mba hanamarinana azy hoe : manaraka ny lalampanorenana na tsia.
Mety tsy hisy fahagagana hiseho anefa ka hoe : hotsipahin’ny HCC io, koa dia andrasana izay ny mety ho didy ho avoak’ity CES vaovao ity momba ireo kandida ireo aorian’ny fifidianany izay ho filohany, izay tsy maintsy mpitsara grady voalohany. Hatreto raha ny toromarika napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny resaka mandeha dia hiroso amin’ny fanilihana ny kandida isany Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka ary Andry Nirina Rajoelina ny CES ka hamoaka lisitra kandida vaovao ato anatin’ny herinandro, ka miankina amin’izay indray ny ho tohin’ny raharaha. Vao ety ampiandohana anefa dia betsaka sahady no miahiahy ity CES vaovao. Misy mpikambana ao aminy mantsy no nanamora ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina ary nampihaniana ity farany tamin’ny 2009, dia ireo mpikambana tao amin’ny HCC izany. Misy roa izy ireo no handrafitra ity CES vaovao ity.
Ny iray solontena mivantana dia Rakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné ; ny faharoa ihany koa dia efa mpikambana tao no voatendry tao amin’ny CENI nanatontosa ilay fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana kitoatoa ka nigagam-bahoaka sy izao tontolo izao tamin’ny 2010 iny, ary ankehitriny natolotry ny vondrona politika UDR-C ho mpikambana ao amin’ny CES indray, dia Ranampy Marie Gisèle. Samy ao anatin’ny lisitr’ireo 109 voasazin’ny filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana (CPS) eo anivon’ny Vondrona Afrikana izy ireo, noho ny fandraisany anjara tamin’ny fanonganam-panjakana. Sarotra ny hatoky an’izany ho ny fanehoan-kevitra re nandritra iny faran’ny herinandro iny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.