CES vaovao

> Lasa fiadiana tombontsoa fotsiny


  • Talata 06 Aogositra 2013

Betsaka ireo mitaky ny hanovana ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na ny CES mba hiverenan'ny fahatokisan'ny vahoaka azy ireo, indrindra ny famoahana ny valim-pifidianana hotanterahina eto amin'ny tany sy ny firenena.

Ho an-dRado Razafindratsimba dia tsy manantena zavatra be loatra amin'ny fanovana ireo mpikambana ao amin'ny CES ny tenany. Ny famahana ny olana eto amin'ny firenena no tokony imasoana, hoy izy hahatafavoahan'ny vahoaka ao anatin'izao krizy izao. Ny antony mantsy hoy ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty dia ho lasa fiadiana tombontsoa fotsiny indray ny fidirana ao anatin'ity rafitra iray ity. Hita taratra sahady koa fa na inona na inona fanovana hatao dia hisy hatrany ireo tsy ho afa-po ka vao mainka tsy hisy zava-banona eto. Raha io resaka CES io hatrany anefa no omena vahana, hoy ihany ity Ben'ny tanana ity dia tsy fantatra intsony izay hiafaran'ny firenena nefa ny vahoaka efa tena mihasempotra hatrany. Mikasika ny fitakian'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny amin'ny tsy maintsy hialan'ireo kandida telo mianadahy mianaka indray dia nanambara i Rado Razafindratsimba fa tokony hiteny izay tena olana ao ambadik'izany ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa tsy hanao zavatra an-kolaka tahaka izao. Ilain'ny vahoaka ny mahalala ny marina, hoy izy. Ankoatra izay moa dia nambarany fa na dia hiala aza izy telo mianadahy mianaka dia tsy izy ireo no olana fa ireo mpanara-dia azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT